Politika

Filoha Rajoelina Andry : «Iray tsy mivaky ny Foloalindahy»

Notolorana faneva, omaly, ireo jeneraly miisa 35, andiany taona 2024. Nanamafy ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry, nandritra ny lahateny nataony fa iray tsy mivaky ny Foloalindahy malagasy. «Iray tsy mivaky ny Foloalindahy malagasy, miray fo, tsy azo zaraina, tsy azo vakina, miara-misalahy amin’ny fiarovana sy fampandrosoana an’i Madagasikara. Izaho manokana […]

Minisitra Marson Moustapha Abdulah: “Hatambatra ny hery ho fampandrosoana ny tanàna”

Tafapetraka omaly, eo amin’ny toeran’ny ben’ny Tanànan’i Mahajanga I, i Heriniaina Tia Solofomanga. Olom-panjakana maro no tonga nanatrika ny lanonana tany an-toerana. Notontosaina ny sabotsy teo, tao an-drenivohitr’i Boeny, ny lanonana manokana nametrahana ny ben’ny Tanànan’i Mahajanga I, i Heriniaina Tia Solofoman­ga na i Maire Daddy. Nitarika ny lanonana, tamin’izany, […]

Fihaonana an-tampony faha-38 : Hitondra fanovana ho an’i Afrika, i Madagasikara

“Nanambara ny fahavononany hitondra fanovana azo tsapain-tanana ho an’i Afrika, i Madagasikara”, hoy ny filohan’ny Repoblika, Andry Rajoelina, tany Addis-Abeba. Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy tao Addis-Abeba ny andiany faha-38 amin’ ny fihaonana an-tampon’ireo filoham-panjakana sy governemantan’ny Vondrona afrikanina. Mandray anjara feno amin’ ireo adihevitra sy fivo­riana any an-toerana ny Filohan’ny […]

FANTINA sy FINTINA

Hanomboka hitsara ireo fifanolanana ara-pifidianana ny eo anivon’ny Filankevi-panjakana ny fiandohan’ny volana marsa izao. Nambaran’ny tomponandraikitra fa mbola mandray ny fitoriana izy ireo hatramin’izao. Maherin’ny 20 izao ireo fitarainana voarain’ny filankevi-panjakana hatramin’ny faran’ny herinandro teo. Mitohy hatrany ny hetsika fanatsarana ny fotodrafitrasa sy fanamboarana izany ho an’ny kaominina Ivato. Nambaran’ny […]

Fampandrosoana eny ifotony: Nakana hevitra ny drafitra fanajariana

Notanterahina tetsy Ano­sy, tao amin’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT), ny faran’ny herinandro teo, ny fivoriana fakan-kevitra. Ta­fiditra ao anatin’ny famolavolana ny Drafitra ifotony ho fanajariana ny Tany (Dift) izany. Miisa valo ireo toerana sy kaominina misitraka izany any amin’ny faritra Androy. Anisan’izany ny ao amin’ny kaominina […]