Politika

Hafatry ny minisitry ny Fitsarana : “Hamafisina ny fiambenana ny fonja”

Nambaran’ny minisitry ny Fitsarana, Rakotomandimby Benjamin Alexis, tamin’ny fa­nanganan-tsaina, omaly, teny Antanimora ny hanovana ny fomba fiasa. Miandrandra fom­ba fiasa vaovao, fomba fijery vaovao ny tenany amin’io taona vaovao ho avy io, araka ny nambarany tamin’ny lahateniny. Nanteriny ihany koa fa tokony ho tatitra tsara hatrany no hiseho sy ho […]

Fiarahamonim-pirenena : “Takinay ny hanenjehana ireo nandika lalàna”

Samy nanao antso avo amin’ny Fitsarana misahana ny ady amin’ny fanjakana (Taf) ireo avy amin’ny fiarahamonim-pirenena. Henjehina ireo nihoa-pefy tamin’ny fifidianana ben’ny Tanàna teo iny, araka ny fitakian’izy ireo. Anisan’ny efa nitaky izany ny eo anivon’ny KMF/ Cnoe sy ny avy amin’ny Safidy tamin’ireo fanambarana nataon’izy ireo farany. Na izany […]

FANTINA sy FINTINA

Nambaran’ny sekretera nasionalin’ny TGV, Rasoamaromaka Hery, fa vita hatreo ny fifanandrinana eo amin’ny Irmar sy ny Tim, taorian’ny voka-pifidianana farany teo iny. “Nahazo ben’ny Tanàna 967 izahay raha 52 kosa ireo avy amin’ny mpanohitra. Fotoana izao hirosoana amin’ny fampandrosoana ny firenena”, hoy izy. Maro anisa amin’ireo ben’ny Tanàna voafidy amin’ny […]

Antenimierampirenena : “Tsy fieren’ny mpanao ratsy” hoy ny TI-MG

“Andrimpanjakana lehibe ny Antenimierampirenena: tsy fieren’ny mpanao ratsy! Aoka handray ny andraikitra maha depiote amin’ny fahitsiana, fanarahan-dalàna, sy famongorona ny kolikoly”. Io ny fa­nambarana navoakan’ny Transparency International-Initiative Madagascar (TI-MG) tamin’ny tambajotran-tserasera, ny faran’ny herinandro teo, manoloana ny nahavoasaringotra ny depiote voafidy tao Soavinandriana Itasy tamin’ny fikasana hanondrana antsokosoko sokatra. Tsy fitaovana azo […]

Lahateny amin’ny faran’ny taona : Hametraka paikady sy hitondra vahaolana ny filoha Rajoelina

Anisan’ny andrasana amin’izao faran’ny taona izao ny ho lahateny hataon’ny filoha Rajoelina Andry. Tombanana fa hiresaka ny olana sosialy sy ny vina amin’ny taona vaovao ny tenany, ankoatra ny firarian-tsoa ho an’ny vahoaka malagasy. Hanamarika ny taona 2025 ary hambaran’ny filohan’ny Repoblika, ra­hampitso alina, ny handraisantsika ny fivoriana iraisam-pirenena indroa […]