Mitohy hatrany ny fiaraha-miasan’ny fitondram-panjakana amin’ny any ivelany. Tanjona ao amin’izany ny fanatanterahana ireo tetikasa laharam-pahamehana entina mamaha ny olan’ny mponina. Nisy ny fihaonana manokana teo amin’ny filoha Rajoelina Andry sy i Shen Xiaoming, Secrétaire du Comité du PCCC ho an’ny faritr’i Hunan, ao Chine, omaly, teny amin’ny Lapam-panjakana Ambohitsorohitra. […]
Politika
FANTINA sy FINTINA
Nifarana omaly, tao amin’ny fiangonana Cathédrale Maria Manjaka Namahora Morondava, ny fihaonamben’ny Fiombonan’ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara (FFKM) andiany faha-46. Tonga niatrika izany fivoriana izany avokoa ireo tomponandraikitry ny FFKM avy amin’ny faritra 23. Ny anjara toerana sy ny toerana tokony hisy ny FFKM manoloana ny zava-misy ankehitriny no tena […]
Miantso ireo kandidà ny OSCEAH : “Andraikitry ny ben’ny Tanàna ny hisitrahana rano”
“Raha ny lalàna misy eto amintsika, ny ben’ny Tanàna na ny kaominina no tomponandraikitra voalohany amin’ny fametrahana fotodrafitrasa amin’ny rano ary ny fidiovana sy fanadiovana eny ifotony”, hoy ny fanairan’ny fiarahamonina sivily Organisation de la société civile eau, assainissement et hygiène (OSCEAH), notarihin’ny filohany, Andriamitandrina Naivosoa, teny Anosy, omaly. Zo […]
MDAT : Vaindohan-draharaha ny ady amin’ny kolikoly amin’ny fangalaran-tany
Nanomboka omaly ny varavarana misokatra ho an’ny ady amin’ny kolikoly amin’ny fangalaran-tany. Hataon’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany ho vaindohan-draharaha izany. «Zava-dehibe ny fiaraha-miasa mba hametrahana kolontsaina mangarahara amin’ny asa atao andavanandro. Ny kolikoly amin’ny fangalaran-tany sy ny fitrandrahana tsy ara-dalàna ny harena voajanahary dia mitondra voka-dratsy manakana […]
Kandidà Harilala Ramanantsoa: Manana tetikasa tena ilain’ny vahoaka eto Antananarivo Renivohitra
Maro ireo vinan’asa kasain’ireo kandidà hotanterahina mandritra ny fe-potoam-piasany amin’ny maha ben’ny Tanàna azy. Misy anefa ny vina fohy ezaka ao anatin’izany noho ny zava-misy iainan’ny vahoaka. Raha ho an’Antananarivo Renivohitra manokana, laharam-pahamehana ny rano fisotro madio sy ny jiro, izay tena mampijaly ny rehetra ankehitriny. Eo ihany koa ny […]




