Politika

Distrikan’Andramasina: Nomena toromarika ireo ben’ny Tanàna

Notanterahina afakomaly, tao Andramasina ny fihaonana voalohany eo amin’ireo ben’ny Tanàna vao voafidy, miisa 14 sy ny eo anivon’ny distrika, notronin’ireo solontenam-panjakana any an-toerana. Nifantohan’ny fihaonana ny fanomezana toromarika sy ny torolalana samihafa mialoha ny handraisan’ireto olom-boafidy ireto ny andraikiny. Anisan’izany ny momba ny famindram-pitantanana mba ho ao anatin’ny firahalahiana […]

KMF/Cnoe :”Tsy maintsy atao ny fifidianana hoe haverina”

“Matoa notenenina hoe haverina ny fifidianana amin’ireny kaominina ireny dia tena tsy maintsy haverina tokoa”, hoy ny tomponandraikitry ny serasera eo anivon’ny KMF/Cnoe Fanabeazana olom-pirenena, i Haja Nirina, teny Antanimena, omaly, ny amin’ny fifidianana kaominaly hoe haverina. Mba tsy ho toy ny kaominina maromaro teo aloha, tratran’ny fe-potoana iray tsy […]

Razanamahefa Désirée Marie Stella: “Tokony hatao haingana izay fifidianana haverina”

Raha tsy misy ny fiovana, kaomanina 12 no haverina ny fifidianana amina Faritra efatra. Hanao ahoana? Maneho ny fijeriny ny mpi­tondra tenin’ny Sampana anaraha-maso ny fifidianana, ivon’ny demokrasia ifarimbona­na (Safidy), Razanamahefa Désirée Marie Stella. Dinidinika… Gazety Taratra (*): Ahoana ny amin’ny fifidianana kaominaly hoe haverina nefa tsy notanterahina teo aloha? […]

Fiompiana trondro : Mbola hafarana any ivelany ny akora sasany

Hafarana any ivelany ny akora sasany ilaina amin’ny sakafo trondro. Misy ny orinasa misehatra amin’izany eto an-toerana, hampihena ny masonkarenan’ny mpiompy. Tsy ampy ny akora fototra ilaina amin’ny fanamboarana sakafo trondro vokarina eto an-toerana. Lafo anefa ny fanafarana ireo sakafo trondro, nahatonga ny vondrona Arbiochem hisehatra amin’ny fanamboarana sakafo trondro, […]

Ben’ny Tanàna Tota : “Hotanterahina ny nampanantenaina”

Notontosaina teny amin’ny kaominina Andoharanofotsy, omaly, ny fametrahana amin’ny toerany ny ben’ny Tanàna, Rakotoarimanana Henintsoa na i Tôta. “Tsy maintsy tanterahina izay rehetra nolazaina. Maro no efa vita, ary hampitomboina avo folo heny noho ny teo aloha ny asa fampandrosoana ny tanànan’Ando­harano­fotsy”, hoy izy. Araka ny tantara, i Maire Tôta […]