Efa ao anatin’ny fampielezan-kevitra tanteraka amin’ny fifidianana ben’ny Tanàna sy mpanolotsaina hatao amin’ny 11 desambra izao. Na somary mbola nangingina aza ny fanombohana omaly fa ny petadrindrina no betsaka, raha ho an’ Antananarivo Renivohitra, ohatra, misy ny didy aman-dalàna mifehy izany. Fampahatsiahivana ankapobeny araka ny 55 ka hatramin’ny 119 ao […]
Politika
Fandikan-dalàna amin’ny propangady: mampitandrina ny prefet de Police Antananarivo
“Hanao tatitra any amin’ny Ceni izahay, fa manjary manome ohatra ratsy izay”. Io ny nambaran’ny prefet de Police, Antananarivo, ny jeneraly Ravelonarivo Angelo, manoloana ny fandikan-dalàna nataon’ny kandidà lah. 4, Ravalomanana Tojo, mbamin’ny mpomba azy tamin’ny fanombohana ny fampielezan-kevitra, afakomaly. Nandalo teny amin’ny araben’ny Fahaleovantena, Analakely ry zareo, raha avy […]
Ramiarondrabe Hajason: “Aoka mba tsy ho voavidy amin’ izay mety hanovana ny safidy”
Ao anatin’ny fampielezan-kevitra izao. Mandeha ny fanehoan-kevitra, fizarana fanomezana, fampisehoana… Hanao ahoana? Maneho ny fijeriny ny filohan’ny Fikambanan’ ny tanora mandala ny fahamarinana mba ho fampandrosoana ny firenena (FTMF) eo anivon’ny Safidy, Ramiarondrabe Hajason. Dinidinika… Gazety Taratra (*): Ao anatin’izao fampielezan-kevitra izao, inona no tokony hataon’ny olom-pirenena? Ramiarondrabe Hajason (-): […]
Depiote Rajerison A : “ambanin-javatra ny Fambolena”
“Lasa ambanin-javatra loatra ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana. Any amin’ny laharana faha-6 no misy azy, raha ny fampiasam-bola no resahina ao anatin’ny fanjakana amin’izao fotoana izao.” Io ny fanehoan-kevitry ny depiote tsy miankina voafidy tany Arivonimamo tamin’ny anaran’ny Fivoi, Randriamampianina Rajerison Antoine, teny Tsimbazaza, afakomaly, ny amin’ny volavolan-dalàna mifehy […]
FANTINA sy FINTINA
Nandray anjara tamin’ny fivoriana tsy ara-potoan’ny filankevitry ny minisitry ny SADC tany Harera, ny minisitry ny Raharaham-bahiny, Rasata Rafaravavitafika, araka ny fampitam-baovaon’ny minisitera, omaly. Ny amin’ny olana any RDC. Nohamafisiny ny maha zava-dehibe ny fitadiavam-bahaolana noho ny tsy fandriampahalemana ho amin’ ny fampandrosoana aty amin’ny faritra. Mitondra fanatsarana ny fandaharanasa […]




