Politika

FANTINA sy FINTINA

Nirava maina ny hetsika sy fivorian’ny mpanohitra. Noravan’ny Emmo/Reg ny fivoriana nokasain’ny mpanohitra hatao tetsy amin’ny le Pave Antaninarenina, ny sabotsy teo. Tsy tanteraka koa ny fidinana an-dalambe saika hotarihin’ny depiote Ratsiraka Roland tany Toamasina. Rakotra mpitandro filaminana tsy na fahany nitarika izany teo amin’ny trano fonenany. Niatrana vao maraina […]

Hafatry ny FFKM : “Aoka handala ny fahamarinana sy ny rariny…”

Hentitra hatrany amin’ny fanambarany. “Aoka isika hitandro hatrany ny fahamarinana, ny rariny sy ny fahitsiana… Aoka ho feno fahendrena sy tahotra an’Andriamanitra koa ny tenintsika satria Andriamanitra tsy loharanon’ny fikorontanana fa fiadanana”, hoy ny hafatry ny filohan’ny FFKM, ny Mgr Raoelison Jean de Dieu, tetsy amin’ny FLM 67 ha, omaly. […]

Minisitra Andriantsitohaina Naina : “Mila fahendrena ny fahefana azo”

Nanokatra ny fanofanana ireo ben’ny Tanàna vao voafidy, tetsy Anosy, ny minisitry ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT), Andriantsitohaina Naina. Nisy ny hafatrafatra nampitainy tamin’izany. Nambaran’ny minisitra tamin’izany fa tsy mora ny ady natrehina tamin’ny fifidianana nefa lany soa aman-tsara ireo ben’ny Tanàna ka nirariany mba ho taon’ny […]

Praiminisitra Ntsay Christian: “Tsy mila korontana intsony ny vahoaka”

Manameloka ny fambolena korontana eto amin’ny firenena ny praiminisitra, araka ny nambarany. Firenena demokratika i Madagasikara, hoy ihany izy. “Tsy mila korontana in­tsony ny vahoaka. Me­lohiko ny fambolena kolontsain’ny herisetra eto amin’ny firenena. Fantatra ny fotoana hambolena herisetra, fa tsy fantatra izay hiafarany. Miaina izany ny firenena maro. Na ny […]

Herinandro fiaraha-mivavaka: hiteny ny raharaham-pirenena ny FFKM

Hotanterahina etsy amin’ny FLM, 67 ha, rahampitso, ny herinandro fiaraha-mivavaka iarahana amin’ny FFKM. Nam­baran’ny loharanom-baovao iray fa hiteny sy hanana ny hambarany manoloana ny raharaham-pirenena ireo filoham-piangonana efatra mirahalahy. Raha tsiahivina, anisan’ny nivoitra tamin’ny fanambarana tany Morondava ny volana desambra teo taorian’ny Ko­mity foibe faha-46 ny antso avo ny tokony […]