Politika

Kaominina Antananarivo Renivohitra: lany ho ben’ny Tanàna Ramanantsoa Harilala

Nohamafisin’ny Fitsarana misahana ny ady amin’ny fanjakana (Taf) etsy Anosy, omaly, ny maha ben’ny Tanànan’Antananarivo an-dRamanantsoa Harilala. Nahazo 43,24 % tamin’ny vato manankery izy. Tsy nanova ny voka-pifidianana nibatan’ny kandidàn’ny Irmar fandresena ny nanafoanan’ny Taf ny vokatra tamin’ny birao fandatsaham-bato miisa 40 noho ny tsy fitovian’ny isa tamin’ireo taratasin-datsabato (PV). […]

Minisitra Mara Volamiranty Donna: “Aoka hajanona ny kajikajy politika ho amin’ny tombontsoa manokana”

Famerenana, fanamafisana… “Aoka hajanona ary tsy hanana toerana eto Madagasikara intsony ny kajikajy sy adilahy politika ary ny fitiavan-tena ho amin’ny tombontsoa manokana”. Io indray no nambaran’ny minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina sady mpitondra tenin’ny go­ver­ne­manta, Mara Volami­ranty Donna, tao amn’ny hai­no aman-jerim-panjakana, omaly, manoloana ny fihetsiky ny mpanohitra […]

Andrianainarivelo Hajo: «Aza afenina ny tsy fahaizana»

Nitondra ny heviny manoloana ireo fanambarana samihafa na fanehoan-kevitry ny mpomba ny fitondrana ny filoha nasionalin’ny antoko Mala­gasy miara-miainga, Andria­nai­narivelo Hajo. “Aza afenina amin’ny fampihorohoroana ataonareo sy ny fandrahonanareo lava ny vahoaka ny tsy fahaizanareo mitantana sy ny fahantrana lalina novolenareo teto amin’ny firenena», hoy izy. Nanteriny fa tsy sanatria […]

Loholona Tsiebo Mahaleo: “Tsy eny an-dalambe no hamoahana voka-pifidianana”

Hivoaka anio ny voka-pifidianana ofisialy. Nitondra ny heviny manoloana ireo fikasan’ny sasany hanohitra izany ny loholona Tsiebo Mahaleo. «Aoka hazava ny resaka: tsy tamin’ny 20 na 30 taona lasa ny vahoaka malagasy amin’izao, ka mbola mety hatao fitaovana hakana seza amin’ny alalan’ny amboletra na fidinana an-dalambe. Taona 2025 izao fa […]

Hafatry ny evekan’Antsi­rabe, Andriantsoavina: “Sahia miteny sy mijoro amin’ny fahamarinana”

Hafatra fohy no nampitain’ny eveka, ny Mgr Andriantsoa­vina Jean Pascal, manoloana izao zava-misy eto amin’ny firenena izao sy ho an’ny tsirairay ary ny isam-batan’olona. “Aoka ho tso-piaina ary sahy mijoro amin’ny marina isika. Sahia miteny raha mahita tran­gan-javatra tsy araka ny sitra­pon’Andriamanitra miseho eny amin’ny fiarahamo­nina”, hoy izy tao amin’ny […]