Politika

FANTINA sy FINTINA

Nibata ny fandresena tamin’ny fifidianana ny ho filohan’ny vaomieran’ny Vondrona afrikanina natao tany Addis Abeba, ilay Djibosianina, i Ali Mahamoud Youssouf. Niala an-daharana tany amin’ny fihodinana fahafito ny kandidà kenianina, Raila Odinga, raha noheverina ho misongadina. Resy tany amin’ny fihodinana fahatelo kosa, Randriamandrato Richard. Mahay jeopolitika sy diplaomasia avokoa ireo […]

Antoko Alfa : “Maika kokoa ny tena mahasoa ny vahoaka”

Nanatanteraka ny kongresiny teny Ambohimangakely ny antoko Lay fitiavana an’ny rehetra (Alfa na ny LayFar teo aloha), ny herinandro teo. Nivoitra tamin’izany fa navadika ho antoko ity fikambanana ity. Natao izany mba handraisana andraikitra bebe kokoa ary hamelona indray ny tsirim-panantenan’ny Malagasy manoloana izao fahasahiranana mandalo izao. Mankasi­traka ny politika […]

Filoha Rajoelina Andry : «Iray tsy mivaky ny Foloalindahy»

Notolorana faneva, omaly, ireo jeneraly miisa 35, andiany taona 2024. Nanamafy ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry, nandritra ny lahateny nataony fa iray tsy mivaky ny Foloalindahy malagasy. «Iray tsy mivaky ny Foloalindahy malagasy, miray fo, tsy azo zaraina, tsy azo vakina, miara-misalahy amin’ny fiarovana sy fampandrosoana an’i Madagasikara. Izaho manokana […]

Minisitra Marson Moustapha Abdulah: “Hatambatra ny hery ho fampandrosoana ny tanàna”

Tafapetraka omaly, eo amin’ny toeran’ny ben’ny Tanànan’i Mahajanga I, i Heriniaina Tia Solofomanga. Olom-panjakana maro no tonga nanatrika ny lanonana tany an-toerana. Notontosaina ny sabotsy teo, tao an-drenivohitr’i Boeny, ny lanonana manokana nametrahana ny ben’ny Tanànan’i Mahajanga I, i Heriniaina Tia Solofoman­ga na i Maire Daddy. Nitarika ny lanonana, tamin’izany, […]

Fihaonana an-tampony faha-38 : Hitondra fanovana ho an’i Afrika, i Madagasikara

“Nanambara ny fahavononany hitondra fanovana azo tsapain-tanana ho an’i Afrika, i Madagasikara”, hoy ny filohan’ny Repoblika, Andry Rajoelina, tany Addis-Abeba. Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy tao Addis-Abeba ny andiany faha-38 amin’ ny fihaonana an-tampon’ireo filoham-panjakana sy governemantan’ny Vondrona afrikanina. Mandray anjara feno amin’ ireo adihevitra sy fivo­riana any an-toerana ny Filohan’ny […]