Politika

Ceni: 800 ny antontan-taratasy nangatahin’ny fitsarana

“Ho an’Antananarivo, eo amin’ny 800 ny antontan-taratasy nalefa eny amin’ny fitsarana misahana ny ady ifanaovana amin’ny fanjakana”, hoy ny fanazavan’ny sekretera mpanatanteraka lefitra, Rava­o­harinirina Hanitriniaina, teny Alarobia, omaly, ny amin’ny voka-pifidianana ben’ny Tanà­na sy mpanolotsaina. Tsy miverina mikirakira taratasim-pifidianana ny Ceni, fa manao tantsoraka amin’ny andidian’ny lalàna azy hanome izay […]

Randrianirina Jean Ignace: “Miasa mangina ny antoko politika amin’izao”

Aiza ho aiza ny antoko politika eo amin’ny tontolo politika amin’izao? Mihamahazo vahana miandalana ny mahaleo tena na tsy miankina… Maneho ny fijeriny ny filoha mpiara-mitantana eo anivon’ny antoko MFM, Randrianirina Jean Ignace. Dinidinika. Gazety Taratra (*): Nahoana ny antoko no tsy miantsehatra firy amin’ny tontolo politika? Randrianirina Jean Ignace […]

Kly Andrianasoavina Charles: “Zana-bahoaka ny Foloalindahy…”

Nanao fanambarana, tamin’ny alalan’ny horonantsary anaty tambajotran-tserasera, ny manamboninahitra misotro ronono, ny Kly Andrianasoavina Charles, omaly. Nambarany tamin’izany fa zana-bahoaka koa ny mpitandro filaminana. “Tsy afaka ny hamono ny vahoaka sy ny raiamandreninay na ny havanay izahay. Efa nitaizana anay fa avy amin’ny vahoaka izahay ka miverina amin’izy ireo ihany”, […]

Fanivaivana ny filoha Rajoelina Andry: hitory ny kolonely Andrianasoavina Charles ny Tafika Malagasy

Tsy hilefitra amin’ny fanivaivana ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry, ny Foloalindahy. Hitory ny kolonely Andrianasoavina Charles izay nanao fanambarana tamin’ny Facebook ny Tafika Malagasy, araka izany. Manoloana ny fanehoan-kevitra niparitaka tamin’ny tambajotran-tserasera nataon’ny Kly An­dria­nasoavina Charles, nitafa tamin’ny mpanao gazety ny minisitry ny Foloalinda­hy, ny Jly Sahivelo Monja, omaly, teny […]

ANTANANARIVO RENIVOHITRA: voatsipaka avokoa ny fitoriann’ny mpanohitra tamin’ny fifidianana

Nivoaka, omaly, ny didim-pitsarana mahakasika ireo fitoriana ny kandidà ben’ny Tanàna Antananarivo, Ramanantsoa Harilala. Samy voatsipaka avokoa ny fitakian’ireo kandidà ny amin’ny hanalana an-daharana azy. Tsy hisy fiovana firy intsony ny ho voka-pifidianana ofisialy ho an’ny ben’ny Tanàna sy mpanolotsaina eto Antananarivo Renivohitra, izay hivoaka ofisialy rahampitso, etsy amin’ny Taf […]