“Aleo ao anatin’ny fitoniana hatrany no iandrasana ny valim-pifidianana havoakan’ny Fitsarana misahana ny ady ifanaovana amin’ny fanjakana”. Io ny fanehoan-kevitry ny avy amin’ny firaisamonina sivily Ivon’ny seha-pifidianana efaina (Ise) ivondronan’ny fikambanana maromaro, Andriamanana Nivoarivony, teny Alarobia, omaly. Ny amin’ny fiandrasana ny voka-pifidianana ofisialin’ny fifidianana kaominaly sy monisipaly no nanambarany izany. […]
Politika
Voka-pifidianana ho an’ny renivohi-paritany: Be mpifidy indrindra ny kandidà Dzavojozara
Efa vita nialohan’ny fetin’ny Noely avokoa ny famoahan’ny Ceni ny voka-pifidianana vonjimaika, isam-paritany. Niavaka tamin’izany ny tany Antsiranana I. Mitarika amin’ny fahazoana isam-bato be indrindra amin’ireo kandidà ben’ny Tanàna amin’ireo renivohi-paritany enina, tamin’ny fifidianana teo, i Dzavojozara Jean Luc Désiré. Nirotsaka amin’ny tsy miankina ao Antsiranana I ny tenany ary […]
FANTINA sy FINTINA
Nirary Noely feno fitiavana ny filoha Rajoelina Andry tao amin’ny tambajotra sosialy amin’izao fankalazana ny Krismasy, andro nahaterahan’i Jesoa Kristy Tompo izao. Mba ho fanantenana ho anao sy ny ankohonanao izany, araka ny nambarany. “Andriamanitra anie hitahy sy hanazava ny lalana diavintsika ary hitari-dalana antsika hatrany”, hoy izy. Nirary soa […]
Ifi : “Aza korontanina ny vahoaka”
“Raha voafidy ianao, arahaba soa: raiso ny fitondrana. Tsy voafidy ianao, mipetraka tsara ary miandry ny dimy taona manaraka, fa aza korontanina ny vahoaka”. Io ny fanehoan-kevitry ny sekretera jeneralin’ny vovonana Isika fikambanana miara-dia amin’i Andry Rajoelina (Ifi), ny pasitera Razafindramanitra Nestor, manoloana ny fisian’ny fidirana antsokosoko tamin’ny site web-n’ny […]
Voka-pifidianana Toamasina : Nahazo ny 46,44% ny Irmar, i Zoky Alain
Navoakan’ny eo anivon’ny rantsan’ny Ceni, ny alatsinainy 23 desambra teo, tetsy amin’ny efitrano fanaovam-petin’ny CRJS ny voka-pifidianana vonjimaika ho an’ny faritanin’ i Toamasina tamin’ny fifidianana ben’ny Tanàna sy mpanolotsaina, natao ny 11 desambra teo. Ho an’ i Toamasina renivohitra manokana, miisa 55 886 ireo mpifidy voasoratra anarana ao anatin’ny lisi-pifidianana, […]




