Nambaran’ny depiote Raholdina Naivo fa tsy ny fitondram-panjakana no hanapaka jiro sy rano na koa hampijaly vahoaka. “Resaka fifandaminana sy resaka teknika no mahatonga ny olana. Efa manao ny ezaka rehetra ny fitondram-panjakana”, hoy izy raha nizara vatsy tsinjo sy vary tsinjo, teny amin’ny Coliseum Antsonjombe, omaly. Nanao antso avo […]
Politika
Andriamarotafika Soava : “Ny tsirairay no mangataka didy hitsivolana”
“Ny olom-pirenena tsirairay no manatona ny rantsamangaikan’ny Ceni eny amin’ny distrika, maka ny fanamarinana hoe tsy voasoratra ao anatin’ny lisi-pifidianana”, hoy ny mpampakatenin’ny Ceni, Andriamarotafika Soava, teny Alarobia, ny faran’ny herinandro teo, manoloana ny resaben’ny mpanao politika sasany hoe hangalaram-bato ny fakana didy hitsivolana. Tsy hoe entina mifidy toy ny […]
Minisiteran’ny Fitsarana: horaisina ny fepetra ho an’ny mpitsara mihoa-pefy
Nanao fanambarana ny eo anivon’ny minisiteran’ny Fitsarana, amin’ny alalan’ny sekretera jeneraly, i Belalahy Hanitriniana. Niainga avy amin’ny toromariky ny minisitra Rakotomandimby Benjamin Alexis izany ka nampahatsiahivina ny vina sy ny tanjona. Nambarany tamin’izany fa hametraka ny mangarahara sy ny rariny ary ny fahamarinana ny eo anivon’ny minisitera, hananan’ny vahoaka ny […]
FANTINA sy FINTINA
Anisan’ny nanosika ny depiote, i Gascar Fenosoa, ho ben’ny Tanàn’Antananarivo ny fahitany ny fahasarotan’ny fiainan’ny olona, araka ny nambarany. Nijery ny lalankely namboarina, etsy Ankorondrano Atsinanana ny tenany, afakomaly, ary nanamgy ireo tsy salama ka nanampy amin’ny hamonjena toeram-pitsaboana. Ho fantatra aorian’ny 8 novambra izao, amin’ ny alalan’ny lahadinika, ny […]
Fifidianana ben’ny Tanàna Antananarivo : napetraka ny foiben-toeran’ny kandidà Tim
Napetraka sy nampahafantarina ny alakamisy teo ny foiben-toeran’ny kandidàn’ny Tim, (QG) Ravalomanana Tojo. Nambarany tamin’izany fa natao hifanatonan’ny ekipa izany toerana izany ka ahavitana asa miaraka am-pifaliana. « Ny tsy vita aza lasa vita rehefa tafaraka. Tsy misy disadisa izany intsony fa isika izao no eto », hoy izy. Nanteriny fa natao […]




