Politika

Filankevitry ny tanànan’i Toamasina: Mbola voafidy ho filoha Ilatsaka Ibrahim

Nivory voalohany, araka ny fampiantsoan’ny Prefe­ktioran’i Toamasina ny 3 fe­broary teo, ny filankevitry ny tanàna. Mbola voafidy fanindroany ho filoha Ilatsaka Ibrahim, avy amin’ny lisitry ny Irmar raha efa nitantana izany teo aloha. Nahazo ny isam-bato 10 ny tenany raha sivy kosa ny vaton’ny mpanolotsaina MTS, i Belahy Paul Henri. […]

Drafitra fampandrosoana eny ifotony: Nomena tari-dalana ireo ben’ ny Tanàna

Hohatsaraina ny fampiharana ny rafitra ifotony ho an’ny fikaonandoha sy ny drafitra fampandrosoana ny eny ifotony. Nanome ny tari-dalana momba izany ny eo anivon’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT). Nanatanteraka atrikasa fampahafantarana ny tari-dalana ho an’ireo ben’ny Tanàna vaovao sy ireo mpiara-miombon’antoka ny eo anivon’ny MFFT, ny […]

Anjaramanantsoa Laza : “Mampalaina vahoaka ny fahasahiranana”

“Ny fahasahiranan’ny va­hoaka tsy ahazoany mieritreritra zavatra hafa heverina fa tsy ahitany tombontsoa no anisan’ny mampalaina vahoaka amin’ny Rale”, hoy ny olom-pirenena tsotra, anisan’ny hoe maro anisa mangina, i Anjaramanantsoa Laza Fa­nam­binana, ny amin’izay mety tsy mampahavitrika amin’ny Rale. Diso tafalentika lalina ao an-tsain’ny vahoaka koa ny fanaovana politika amin’ny […]

Fanavaozana ny lisi-pifidianana : Izay mahavita adidy no afa-mitaky tamberin’andraikitra

Ao anatin’ny fanavaozana isan-taona ny lisi-pifidianana izao. Mby aiza? Misy izay tsara ho fantatry ny olom-pirenena amin’izany, raha te hitaky tamberin’andraikitra. Fanadihadiana… Tsy maintsy atao isan-taona… Ny lalàna 2018-008 no mamaritra fanavaozana isan-taona ny lisi-pifidianana na ny Révision annuelle de la liste électorale (Rale). Ny 1 desambra hatramin’ny 15 mey […]

Tolom-panafahana 29 marsa 1947: Nosokafana ny fivorian’ ny komitim-pankalazana

Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy, omaly maraina, tao amin’ny trano fivorian’ny minisiteran’ny Foloalindahy (MFA), ny fivorian’ireo komity teknika mpanomana ny fahatsiarovana ny tolom-panafahana 29 marsa 1947. Fankalazana ny faha-78 taona ny hetsi-panafahana ny amin’ity taona 2025 ity. Nanokatra ny fivoriana tamin’ny fomba ofisialy ny Sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Foloalindahy, ny amiraly Assany […]