Politika

Depiote Tsaradia Marco : “Mizaka ny fiakaran’ny vidim-piainana ny maneran-tany”

“Ny amin’ny fidangan’ny vidim-piainana no lohahevitra tena nibahan-toerana. Niara-nijery ny vahaolana ny rehetra, fa tsy ny firenena afrikanina sy i Madagasikara ihany. Samy mizaka izany fiakaran’ny vidim-piainana iza­ny ny maneran-tany amin’izao, hatramin’ny firenena mandroso toa an’i Frantsa, i Etazonia… ” Io ny tatitry ny depiote voafidy tany Ampanihy An­drefana, i […]

Fikorontanan’ny lisitry ny mpifidy: notebahan’ny Tim ny rantsan’ny Ceni any Menabe

Nihazo ny faritra Menabe, hatry ny afakomaly, ny filoha nasionalin’ny antoko Tim, Ravalomanana Marc. Nanentana ny olom-pirenena hisoratra anaty lisi-pifidianana ny tenany. Tsy mazava anefa ny fomba fiasan’ny CER sy ny CED any an-toerana. Nivoitra tamin’izany fa ahitana lisitra telo samihafa any Moron­dava amin’izao fotoana izao. “Tsy mitovy ny isa […]

Fiombonana: “Didy jadona raha tsy afa-maneho hevitra ny tsirairay”

“Jadona raha tsy afa-maneho hevitra ny tsirairay. Tsy tena fanehoan-kevitra no voizin’ny antoko manao famoriam-bahoaka, fa fanentanana hisoratra ao anatin’ny lisitry ny mpifidy.” Io ny fanehoan-kevitry ny sekretera je­neralin’ny Fiombonana, Re­togniane Durlin. Eo koa ny fampahatsiahivana an’ireo nisoratra anarana hanamarina ny anarany. Tanjon’ny Ceni ny mpifidy voasoratra anarana 13 tapitrisa. […]

Tsingerin-taona fahadimy: nanadio tanàna ny Hiaraka isika tao Toliara

Tafiditra amin’ny fanamarihana ny fahadimy taonan’ny antoko Hiaraka isi­ka ny hetsika fanaovana asa sosialy. Anisan’izany ny nanatanterahana ny “Tagnamaro – fafa faobe” sy ny fandokoa , nataon’izy ireo teo amin’ny lalana “Ambroise Vital”, miainga avy eo amin’ny zandarimaria Sanfily mankany amin’ny lalana mihazo ny Jira­ma. Nitarika izany ny filoha nasionalin’ny […]