Ny tantara no mahatonga ny olona ho liana be amin’ny fanarahana ny fifidianana ben’ny Tanàna, Antananarivo Renivohitra, raha ny fijerin’ny eo anivon’ny ONG Tolotsoa, i Miadana Fabien Privat. Mandalo ben’ ny Tanàna, olona, ny mpanao politika iray, mahazo hery amin’izany izy dia manao hetsika; avy eo, mandrombaka fahefana. Aorian’izay vao […]
Politika
Depiote Imbiki Herilaza: “Tsy tokony hisy intsony ny fanaovana ankilabao ny fifidianana”
“Tsy tokony hisy intsony ny fanakanana na tsy fandraisana anjara na fanaovana ankilabao amin’ny fifidianana. Na amin’ny antoko miaraka amin’ny fitondrana izany, na ny antoko mpanohitra, na ny mahaleo tena”. Io ny fanehoam-pijerin’ny depiote voafidy tany Sainte Marie tamin’ny anaran’ny Irmar, Imbiki Herilaza, ny amin’ny fiatrehana ny fifidianana kaominaly sy […]
Haitao ara-kajy mirindra: hiara-hiasa amin’ny Huawei sy ny Tea Group i Madagasikara
Mitohy hatrany ny fanaovan-tsonia fiaraha-miasa ho fanatanterahana ny vina sy fanamby napetraky ny fitondram-panjakana. Anisan’izany ny eo amin’ny sehatry ny haitao ara-kajy mirindra. Taorian’ny fiatrehana ny fihaonana an-tampony, andiany fahasivy, mahakasika ny fiaraha-miasan’i Chine sy Afrika. Nisy ny fitsidihana orinasa maro samihafa tao Chine, nataon’ny delegasionina malagasy, notarihin’ny filoham-pirenena, Rajoelina […]
FANTINA sy FINTINA
Nitsidika tamim-pomba fifanajana ny Praiminisitra Ntsay Christian, ny sekretera maharitry ny Organisation pour l’harmonisation du droit des affaires (Ohada), ny Pr Mayatta Ndiaye Mbaye, teny Mahazoarivo, afakomaly. Nifantohan’ny fihaonana ny fanirian-dry zareo ny hidiran’i Madagasikara ao anatin’io fikambanana io. Nilaza ny Praiminisitra fa mbola mila fifampidinihana eo amin’ny mpisehatra rehetra […]
Fiatrehana fifidianana: manentana ny vehivavy hirotsa-kofidina ny Ceni
“Midina ny taham-pandraisana anjaran’ny vehivavy. Tsy eo amin’ny mpirotsa-kofidina ihany izany, fa eo amin’izay voafidy indrindra koa”, hoy ny sekretera mpanatanteraka lefitra eo anivon’ny Ceni, Ravaoharinirina Hanitriniaina Liliane, teny Alarobia, afakomaly, ny amin’ny fiatrehana fifidianana. Tamin’ny fifidianana ben’ny Tanàna, ny taona 2019: 5% na 300 mahery ihany ny vehivavy voafidy […]




