Mitohy hatrany ny fitadiavana fiaraha-miasa ataon’ny fitondram-panjakana hoentina manatanteraka ny fanamby sy ny vinam-pampandrosoana napetraka. Anisan’ny fahombiazana sahady izay fanatsarana ny fiaraha-miasa amin’ny fanjakana sinoa izay. Tontosa, omaly, ny fihaonana teo amin’ny filohan’ ny Repoblika malagasy, Rajoelina Andry, sy ny filohan’ny Repoblika entim-bahoakan’i Chine, Xi Jinping, izay tafiditra ao anatin’ny […]
Politika
RN2 : nifampizarana ny asa fanamboarana
Anisan’ireo nanatrika ny fivoriana niarahana tamin’ireo tomponandraikitra amin’ny fanamboarana ny lalana RN2, mifampitohy amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina ny eo anivon’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT). Mirefy 9 662 km izany lalana izany. Anisan’ny nitarika ny fihaonana ny minisitra, Andriantsitohaina Naina. Teo koa ny ekipan’ny sampandraharaham-paritry ny MFFT sy […]
Tetikasa « R.A.V.A.O »: hitondra fanovana miainga eny ifotony
Rahampitso, any amin’ny kaominina Andranomiady, distrika Ankazobe, no hanombohana ny tetikasa Rindra Ananganana Vina amin’ny maha Olombelona na R.A.V.A.O. Tetikasa manokana an-dRandrianarisoa Riana Raymonde, amin’ny maha mpanao gazety mpanadihady lalina azy. Hitondrana fanabeazana amin’ny maha olom-pirenena sy ara-panahy ny vahoaka malagasy, miainga eny ifotony izany. « Tanjona ny fanentanana ny Malagasy […]
PDS Ramanantsoa Harilala : «Miasa aloha fa tsy mbola misy resaka kandidà izao»
Natsidiky ny PDS, kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA), ny fandaharanasany, amin’izao nandraisany ny fitantanana izao. Noresahiny koa ny momba ny lafiny politika, nanoloana ny mpanao gazety tetsy Analakely, omaly. Valin-teny tsotra. “Miasa aloha izao isika fa tsy mbola misy resaka filatsahan-kofidina. Ho hitantsika eo ihany amin’ny 19 septambra ny fahafantarana ny […]
FANTINA sy FINTINA
Miditra amin’ny andro faharoa, anio, ny fametrahan’ireo kandidà ho ben’ny Tanàna sy mpanolotsaina ny dosieny. Mbola niompana amin’ny fanomanana antontan-taratasy ilaina rehetra ho amin’ny firotsahan-kofidina ny ankamaroan’ireo kandidà. Tsiahivina fa hifarana ny 29 septambra izao ny fanaterana ny dosie. Efa nahavita ny fanamarinan-tsonia sy ny fametrahana izany teny amin’ny boriborintany […]




