Politika

Ady amin’ny kolikoly : hojerena isan-tsehatra ny paikady

“Tsy ny ambangovangony no horesahina, fa ho jerena tsara hoe: ahoana ny amin’ny fananan-tany, fandriampahalemana, fitsarana… ?”. Hoy ny filohan’ny Komity mitandro ny fahitsiana (CSI), Rabenarivo Sahondra, teny Alarobia, omaly, ny amin’ny atrikasa fakan-kevitra ho an’ny fa­ritanin’Antananarivo amin’ny fandrafetana ny paikadim-pirenena iadiana amin’ny kolikoly. Jerena izay tena maharary ny vahoaka […]

Namearison Robert : “Mazoto mamonjy propagandy nefa tsy tonga mifidy ny vehivavy”

Ny vehivavy no tena mavitrika sy maro amin’ny fiatrehana fampielezan-kevitra nefa tsy tonga mifidy? Maneho hevitra ny amin’izay ny filoha nasionalin’ny KMF/Cnoe Fanabeazana olom-pirenena, i Namearison Robert: “Ny vehivavy no mandrafitra ny 90% ny mpanatrika fampielezan-kevitra; nefa rehefa tonga amin’ny fifidianana, 15% no tonga mifidy. Dinidinika… Gazety Taratra (*): Aiza […]

Tinoka Roberto : nanampy ny vahoakan’i Toliara I

Nifanao fotoana tamin’ny vahoaka teny amin’ny tokotany malalaky ny Ankiembe ny depiote voafidy tany amin’ny faritra Toliara I, Tinoka Roberto, ny alahady teo. Anton’ny fihaonana ny fahatsapany ny fahasahiranan’ny vahoaka malagasy amin’izao fotoana. Nitondra izay voatsirambin’ny tanana izy, nandritra izany, toy ny kojakoja, fitaovam-pianarana, fitaovan-dakozia isan-karazany ary nanome omby natao […]

Fampandrosoana ara-toekarena: hitondra tombontsoa maro ny fiaraha-miasa amin’ny Sany Group

Fiaraha-miasa maro no azon’ny delegasionina malagasy, notarihin’ny filoha Rajoelina Andry, nandritra ny dian’izy ireo tany Chine. Ankoatra ireo nosoniavina nandritra ny « Focac 2024 ». Misy ihany koa ny fiaraha-miasa amin’ireo orinasa tsy miankina sinoa. Anisan’ireo fihaonana na­taon’ny delegasionina malagasy, notarihin’ny filoham-pirenena, Rajoelina Andry, tany Chine, ny fitsidihana ny Sany Group. Orinasa […]

FANTINA sy FINTINA

Tsy mbola nisy nanatitra antontan-taratasy firo­tsahan-kofidina ho ben’ny Tanàna eny anivon’ny Ovec, Antananarivo Renivohitra. Hatramin’izao, olona manon­tany sy maka torohevitra ny amin’ny fakana taratasy no betsaka. Ny fahazoana taratasy fanamarinana ny fiza­kana zom-pirenena sy ny “casier judiciaire” no tena mana­hirana ireo mpirotsa-kofidina. Mbola handray anjara amin’ny fifidianana ben’ ny Tananàn’Ivato, […]