Nifanao fotoana tamin’ny vahoaka teny amin’ny tokotany malalaky ny Ankiembe ny depiote voafidy tany amin’ny faritra Toliara I, Tinoka Roberto, ny alahady teo. Anton’ny fihaonana ny fahatsapany ny fahasahiranan’ny vahoaka malagasy amin’izao fotoana. Nitondra izay voatsirambin’ny tanana izy, nandritra izany, toy ny kojakoja, fitaovam-pianarana, fitaovan-dakozia isan-karazany ary nanome omby natao […]
Politika
Fampandrosoana ara-toekarena: hitondra tombontsoa maro ny fiaraha-miasa amin’ny Sany Group
Fiaraha-miasa maro no azon’ny delegasionina malagasy, notarihin’ny filoha Rajoelina Andry, nandritra ny dian’izy ireo tany Chine. Ankoatra ireo nosoniavina nandritra ny « Focac 2024 ». Misy ihany koa ny fiaraha-miasa amin’ireo orinasa tsy miankina sinoa. Anisan’ireo fihaonana nataon’ny delegasionina malagasy, notarihin’ny filoham-pirenena, Rajoelina Andry, tany Chine, ny fitsidihana ny Sany Group. Orinasa […]
FANTINA sy FINTINA
Tsy mbola nisy nanatitra antontan-taratasy firotsahan-kofidina ho ben’ny Tanàna eny anivon’ny Ovec, Antananarivo Renivohitra. Hatramin’izao, olona manontany sy maka torohevitra ny amin’ny fakana taratasy no betsaka. Ny fahazoana taratasy fanamarinana ny fizakana zom-pirenena sy ny “casier judiciaire” no tena manahirana ireo mpirotsa-kofidina. Mbola handray anjara amin’ny fifidianana ben’ ny Tananàn’Ivato, […]
Pnud-Ceni : hajoro ny komity hamaritra ny fiaraha-miasa
“Raha ny resaka nifanaovana sy nifanarahan’ny Ceni sy ny Pnud, hisy ny komity manokana hamariparitana izay heverina fa zavatra maika tokony hahazoana mifanome tanana”. Io ny fanazavan’ny mpampaka-tenin’ny Ceni, Andriamarotafika Soava, teny Alarobia, omaly, ny amin’ny fitsidihan’ny solontena maharitry ny Sampandraharahan’ny Firenena mikambana misahana ny fampandrosoana (Pnud) vaovao eto Madagasikara, […]
Minisiteran’ny Fitsarana-Bianco : efa misy ny paikady hiadina amin’ny kolikoly
Am-periny ireo ezaka ataon’ny fitsarana sy ny Bianco, isanisany, mahakasika ny ady amin’ny kolikoly. Antenaina ny hisian’ny fiaraha-miasa sy hetsika ataon’ny roa tonta amin’izany. Tontosa omaly, teny amin’ ny foiben’ny minisiteran’ ny Fitsarana, Faravohitra, ny fitsidihana tamin’ny fomba fanajana, nataon’ny Tale jeneralin’ny Birao mahaleotena miady amin’ny kolikoly (Bianco), Razakamanantsoa Gabhy […]




