Politika

FANTINA sy FINTINA

Nitsidika ny fitsarana ambaratonga voalohany, Anosy, ny minisitry ny Fitsarana, Rakotomandimby Benjamin Alexis, ny faran’ny herinandro teo. Nampahery ireo mpitsara mpiandry raharaha mikarakara ny fandraisana fangatahana “casier judiciaire” sy “certificat de nationalité”, izay manampy amin’ny fanamarinana ny maha olom-pirenena sy ny toetra manokana amin’ny fifidianana izy tamin’izany. Mampiteny ny moana […]

Minisitry ny Atitany : “Zava-dehibe ny fidinana ifotony”

Zava-dehibe ny fidinana ifotony, izay tokony hataon’ireo tomponandraiki-panjakana mba hijerena ny filan’ny vahoaka sy hamahana ny olana hatrehin’izy ireo eny anivon’ny fokontany sy ny kaominina ary ny distrika. Anisan’ny nisongadina sy nohamafisina tamin’ny fihaonan’ny minisitry ny Atitany, Rahajavololoniaina Niritsoa, tamin’ireo tomponandraiki-panjakana isan-tsokajiny tamin’ny fidinana ifotony tany amin’ny prefektoran’i Tomasina sy […]

Ady amin’ny kolikoly: nisy ny fanaovan-tsonia teo amin’ny MFFT sy ny TI-MG

Hiara-miasa ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT) Transparency International Madagascar (TI-IM). Hiara-miady amin’ny kolikoly izy ireo. Tontosa omaly, teny amin’ny foibe toeran’ny minisiteran’ny Fitsinja­ram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT), ny lanonana nanaovana sonia ny fifanarahana teo amin’ny MFFT sy ny Transparency International Initiative Madagascar (TI-IM). Nanao […]

FANTINA sy FINTINA

Ny tantara no mahatonga ny olona ho liana be amin’ny fanarahana ny fifidianana ben’ny Tanàna, Antananarivo Renivohitra, raha ny fijerin’ny eo anivon’ny ONG Tolotsoa, i Miadana Fabien Privat. Mandalo ben’ ny Tanàna, olona, ny mpanao politika iray, mahazo hery amin’izany izy dia manao hetsika; avy eo, mandrom­baka fahefana. Aorian’izay vao […]

Depiote Imbiki Herilaza: “Tsy tokony hisy intsony ny fanaovana ankilabao ny fifidianana”

“Tsy tokony hisy intsony ny fanakanana na tsy fandrai­sana anjara na fanaovana ankilabao amin’ny fifidianana. Na amin’ny antoko miaraka amin’ny fitondrana izany, na ny antoko mpanohitra, na ny mahaleo tena”. Io ny fanehoam-pijerin’ny depiote voafidy tany Sainte Marie tamin’ny anaran’ny Irmar, Imbiki Heri­laza, ny amin’ny fiatrehana ny fifidianana kaominaly sy […]