“Tsy kilalaon-jaza ny firenena. Aza mifamitapitaka. Takatry ny vahoaka izay tianareo holazaina”, hoy ny sekretera jeneralin’ny antoko Vahoaka miray (Vami), i Gaby Vakiniadiana, manoloana ny hanovana ny mpikambana eo anivon’ny governemanta. “Misy asa mandeha ao anatin’ny valo volana, raha minisitra no soloina. Ireo teknisianina amin’ny minisitra no soloina, raha hoe […]
Politika
MFM : “Aoka mba ho governemanta tsy miandany”
“Raha governemanta tsy hanao afa-tsy fifidianana, ka governemanta tsy mitanila sy tsy miandany ary hanatanteraka izay tapaka amin’ ny fikaonandoham-pirenena: izay no takina.” Io ny fanehoan-kevitry ny filoha nasionalin’ny MFM, Rakotovazaha Olivier, manoloana ny fanovana na fanamboarana governemanta amin’izao. Eo indrindra koa ny fiatrehana fifidianana filohan’ny Repoblika amin’ny 9 novambra […]
Gerard Claude Patrick: “Giazan’ny fanjakana foibe ny vola”
Naneho ny heviny, manoloana ny raharaham-pirenena ny mpitantana teo aloha tao amin’ny kaominina Toamasina, i Gerard Claude Patrick na i Patou. Nohitsiny fa tsy mirindra ny fitantanana ny firenena. Ny tenany rahateo mpandala ny rafitra federalisma. “Tsy misy fampandrosoana mipaka amin’ ny vahoaka izany eto raha mbola mahazo vahana ny […]
Filoha nasionalin’ny MMM, A. Hajo : “Fanomezan-kasina ny eny ifotony ny fifidianana”
Nitohy tany Miarinarivo, Itasy indray ny fihaonan’ny birao foiben’ny antoko Malagasy miara-miainga, amin’ireo mpikambana ao aminy. Nambaran’ny filoha nasionaly, Andrianainarivelo Hajo tamin’izany fa maika koa ny fifidianana eny anivon’ny kaominina. “Taratry ny tsy fanomezan’ny fanjakana lanja ny eny ifotony ny tsy fanaovana fifidianana ben’ny Tanàna sy mpanolotsaina amin’ity taona ity. […]
Antoko Vitm : hankalaza ny faha-50 taonany
“Teo lalandava ny antoko Vonjy iray tsy mivaky hatramin’izay”, hoy ny filoha nasionalin’ny Vitm, Razanabahiny Christian, ny amin’ny fankalazana ny faha-50 taonan’ny antoko tarihiny. Manao ny fanaovazana ny fanehoam-pisiana isan-taona eny anivon’ny minisiteran’ny Atitany ny antoko, ary mpikamban’ny International socialiste (IS). Tamin’ny taona 1973 no niorenany, nifandraika tamin’ny raharaha 1972-1973. […]