Politika

Andriamanana Nivoarivony : « Aoka izay ny tsindry fa avelao hifidy malalaka ny olom-pirenena »

Miroso ny fanatanterahana ny fifidianana kaominaly… Hanao ahoana? Maneho ny fijeriny ny avy amin’ ny fiarahamonina sivily, Ivon’ny seha-pifidianana efaina (Ise) ivondronan’ny fikambanana maromaro, Andriamanana Nivoarivony. Dinidinika… Gazety Taratra (*) : Ahoana ny fiatrehana ny fifidianana kaominaly amin’izao? Andriamanana Nivoarivony (-) : Manentana faran’izay azo atao ny olom-pirenena handray anjara, indrindra ny […]

VAOVAO TAMBATRA

Nahazahoana alalana ny hanapahana ireo hazo lehibe manamoron’Andasibe, taorian’ny fianje­ran’ny hazo tamin’ny fiara nitondra mpizahatany, ka naharatran’ny mpandeha tao anatiny. Ny fikambanana Mitsinjo, ny Jirama ary ny kaominina Andasibe no nanao ny fangatahana tamin’ny fitantanam-paritry ny Tontolo iainana (Dredd) Alaotra Mangoro. Hatolotra ny kaomi­nina hanaovana sy hanarenana fotodrafitrasa samihafa ireo […]

Fikaonandoha Indonezia-Afrika 2024 : fiaraha-miasan’i Madagasikara sy Indonezia

Vonona hiara-hiasa amin’ ny firenena indonezianina i Madagasikara. Hiompana amin’ny fampivelarana ny maha olona, ny fampirobo­roboana ny indostria sy ny fanodinana ara-toekarena ary ny fahaiza-mitantana izany. Nandray anjara tamin’ny fikaonandoha Indonezia-Afrika (IAF) 2024, andiany faharoa ity ny minisitry ny Fambiro­bo­roboana ny Indostria sy ny varotra (MIC), Ralambofiringa David. Nasongadiny tamin’ny […]

« Autoroute » : mety handalo an’Andaingo ny soritra Anjozorobe-Toamasina

Mandeha ny asa fanamboarana ny arabe migodana « autoroute », ampahany Antananarivo-Anjozorobe. Efa tsinjo ny soritra amin’ny ampahany faharoa, Anjozorobe-Toamasina. Mahatratra 30 km ny lalana vita ravona amin’ny ampahany voalohany, amin’ny arabe migodana « autoroute », mi­ainga eto Antananarivo mankany Anjozorobe mirefy 80 km. Nidina teny an-toerana ny mi­nisitry ny Asa Vaventy […]

Antoko Ilo Mada : « Mety ny PDS no ho kandidà ben’ny Tanàna »

“Mpandraharaha ny fahafantarako an-dRtoa Rama­nantsoa Harilala, tsy ao anatin’ny antoko na vondrona antoko. Raha izay izany no hanomanan-dry zareo eo amin’ny fitondrana ny sain’ny mponin’ Antananarivo, na anoman-dry zareo ny sain’ny Irmar na ny TGV: matoa apetraka, toy ny mizotra mankany… ” Io ny fijerin’ny filoha nasionalin’ny antoko Ilo Mada, […]