Politika

Ny PDS, Ramanantsoa Harilala: «Asa miandry anay ny tsena sy ny fako ary ny lalana…»

Notanterahina, omaly, ny famindram-pahefana teo amin’ny PDS teo aloha amin’ny alalan’ny sekretera jeneralin’ny CUA sy ny PDS vaovao, Ramanantsoa Herilala. Natsidiny tamin’izany ireo asa hosahaniny, manomboka eto. Nambarany tamin’izany fa mitantana ny fampandehanan-draharaha eto Anta­nanarivo Renivohitra ny tenany ary miatrika ny filan’ny mponina. “Anisan’ny asa miandry ny fako, ny fandriampahalemana […]

Fifidianana ben’ny tanana: Fotoana hanehoan’ny vahoaka ny fahefany

Dingana iray lehibe no vitan’ny Vaomiera manokana misahana ny fifidianana, omaly. Ambohipihaonan’ny mpisehatra rehetra izany. Samy nanao rodobe na ny mpitondra na ny mpanohitra. “Aoka tsy hohamaivanina ny fifidianana ben’ny Tanàna. Amin’ny maha fifidianana manakaiky vahoaka azy, fo­toana hanomezana vahana ny olom-pirenena handray anjara mivantana amin’ny fitantanana sy ny fampandrosoana […]

Miadana Fabien Privat : «Manana lanja politika ny fifidianana ben’ny Tanàna eto Antananarivo»

Hanao ahoana ny fifidianana ben’ny Tanàna, Antananarivo Renivohitra? Mahabe resaka ny sasany eo amin’ny tontolo politika… Maneho ny heviny ny tomponandraikitra amin’ny fanetsehana fiarahamonina sy olom-pirenena eo anivon’ny ONG Tolotsoa, i Miadana Fabien Privat. Dinidinika… Gazety Taratra (*): Ahoana ny fiatrehana fifidianana kaominaly? Miadana Fabien Privat (-): Raha ny Ceni, […]

Seranam-piaramanidina Ivato : tafapetraka ny rantsa-mangaikan’ny Bianco

Tafapetraka, omaly, ny rantsa-mangaikan’ny Birao mahaleo tena iadiana amin’ny kolikoly eny anivon’ny seranam-piaramanidina Ivato. Mba hahafahana mandray ny fitarainana momba ny kolikoly ny ivontoerana Natao handraisana ny fitarainana mahakasika ny kolikoly sy ny tsy fa­narahan-dalàna miseho eny an-toerana ity rantsan’ny Bian­co ity. Hanentanana ny mpiasa sy ny mpandeha rehetra mba […]

FANTINA sy FINTINA

Tsy maintsy mametra-pialana avy hatrany ireo minisitra tsy mahomby ary tsy azo ekena intsony ny fahatarana, araka ny taratasin’ny filoha Rajoelina Andry, ho an’ireo mpikamban’ny governemanta. Nohitsiny fa tsy azo ekena intsony ny fahatarana sy ny tsy fahombiazana amin’ny fanatanterahana ny asa. “Miandry asa mivain­gana sy famahana ny olany ny […]