Noraisin’ny filohan’ny Antenimierandoholona, ny Jly Ravalomanana Richard, tetsy Anosy, ny Jly Ahmed, ny herinandro teo. Teratany Nigerianina izy io. Manamboninahitra nivoaka tamin’ny andiany faha-13 “La 13” tao amin’ny Akademia miaramila (Acmil) Antsirabe, niara-nihira tamin’ny filohan’ny Antenimierandoholona. “Ohatra tsara azon’ireo manamboninahitra zandry, mbola am-perinasa alaina tahaka ny fihavanana tsy ravan’ny taona […]
Politika
Fiombonana : “Lasa misy fifanitsahana andraikitra eo amin’ny governemanta”
Iangaviana ny tomponandraikitra, indrindra ny lehiben’ny governemanta, mba hametraka izay tena andraikitra sahanin’ny sekreteram-panjakana sy izay andraikitra sahanin’ny minisitra. “Lasa miteraka fifanitsahana andraikitra izay eo anivon’ny fitantanana minisitera iray”, hoy ny fanehoan-kevitry ny sekretera jeneralin’ny antoko Fiombonana, Retogniane Durlin, momba ny fisian’ny minisitra sy sekreteram-panjakana misahana raharaha iray eo anivon’ny […]
FANTINA sy FINTINA
Nisafidy ny tsy hanao politika, taorian’ny fahanginany Ny Rado Rafalimanana. Nambarany fa efa kandidà filoham-pirenena indroa ny tenany ary nihevitra ny hahavita. “Tena tsy haiko ilay fomba fanaovana politika eto”, hoy izy. Nanafarany ireo mpisehatra izany ka nilazany fa mila fantatra aloha izany Madagasikara izany raha te hanao politika. Mitaky […]
Filohan’ny Holafitry ny vadintany : “Hamafisina ny fiarovana anay eo amin’ny asa”
Voafidy hitantana ny Holafitry ny vadintany sy ny mpanao lavanty (CNHJPM), araka ny fifidianana natao omaly, tetsy Ambodivona, ny Me Rarivoarivony Andriantafaina. Nambarany fa misedra olana izy ireo amin’ny fanatanterahana ny asany ka natsidiny ny hanohizana ny hiarovana azy ireo, indrindra eo amin’ny lafiny lalàna sy ny voasoratra amin’ny satan’izy […]
Fananan-tany any Ambovombe : namaha olana ny minisitra Andriantsitohaina
Efa eny an-kianja avokoa ny ankamaroan’ireo mpikambana eo anivon’ny governemanta. Anisan’izany ny minisitry ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT), Andriantsitohaina Naina. Mazava ny toromariky ny filohan’ny Repoblika farany teo ny amin’ ny hidinan’ireo mpikambana eo anivon’ny governemanta eny an-kianja, manomboka izao. Tsy niandry ela fa nidina ifotony tany […]




