“Mila fifidianana mangarahara sy tsy mitanila ary eken’ny rehetra ny vahoaka malagasy mba hialana amin’ny hala-bato sy ny hosoka. Satria aoka hazava fa raha vao fifidianana tsy madio no misy eo amin’ny firenena, korontana no hisy aorian’izay”. Izay no anisan’ny kabarin’ny filoha teo aloha, filoha mpanorina ny antoko HVM, Rajaonarimampianina […]
Politika
Tatitry ny Ceni: 65% ny mpifidy voasoratra anarana
“Ny antontanisa farany azo avy any amin’ny rantsamangaikan’ny Ceni eny anivon’ny distrika: ny mpifidy voasoratra anarana hatramin’izao 8 894 578 na 65,91%”, hoy ny mpampakatenin’ny Ceni, Andriamarotafika Soava, teny Alarobia, omaly. Amin’izao herinandro farany izao, manao ezaka manokana amin’ny fampiakarana ny vokatry ny fanisana mpifidy avy eny amin’ ny rantsa-mangaikan’ny […]
Filoha nasionalin’ny MMM, A. Hajo: “Omena fahefana hampiasa vola ny eny ifotony”
Nohamafisin’ny filoha nasionalin’ny antoko Malagasy miara-miainga, Andrianainarivelo Hajo tany Atsimo Atsinanana sy Vatovavy, ny herinandro teo ny fametrahana ny fitsinjaram-pahefana tena izy. Fanalahidy ho an’ny fanovana izany, araka ny nambarany. Nanteriny fa miteraka fampandrosoana maharitra ny fametrahana ny fitsinjaram-pahefana tena izy. Mila politika sahisahy ny fitantanana ny firenena ary ilaina […]
Otrikafo : “Ilaina ny fifampiresahana alohan’ny fifidianana”
“Raha izao zava-misy izao no ikirizan’ny mpitondra fanjakana sy ny mpanao politika mieritreritra hiroso amin’ny fifidianana, manahy izahay hoe: ianareo indray izany no hampiditra krizy vaovao, raha tsy hialohavana fifampiresahana ny fifidianana?”, hoy ny sekretera jeneralin’ny Otrikafo, Rabevahiny Elia. ”Azo antoka fa tsy maintsy hanao ny fomba hahalany azy hitondrany […]
Boriborintany II : nanentana ny mpifidy ny Ifi
Nidina ifotony nihaino ny hetahetam-bahoaka tetsy amin’ny boriborintany II ny eo anivon’ny Ifi, ny asabotsy teo, tetsy Antanimena. Teo koa ny fanentanana ny mpifidy hijery ny anarany anaty lisi-pifidianana. Nitarika izany teny an-toerana ny filoha mpitarika, ny loholona Ramanambitana Richard sy i Ndremitsara Tarzan. Nambaran’izy ireo fa zo sy adidy […]