Efa nanolo-kevitra momba izany ny eo anivon’ny Ceni ka tokony hanomboka ny 12 hatramin’ny 26 aogositra ny fametrahana ny dosie ho an’ireo kandidà. Hivoaka ny 5 septambra ny lisitr’ireo voatana ho mpifaninana ho ben’ny Tanàna sy ny mpanolontsain’ny Tanàna. Hanomboka ny 12 septambra hatramin’ny 12 oktobra ny famoahana ny lisitr’ireo […]
Politika
FANTINA sy FINTINA
Vonona hofidiana ho filohan’ny Vaomieran’ny Vondrona afrikanina ny filoha teo aloha, Rajaonarimampianina Hery, araka ny hita tao amin’ny facebook an’ny HVM. Voalaza fa kandidà tsara toerana izy satria hanohana azy ireo mpitarika politika Afrikanina. Andrasana ny ho fankatoavan’ny fanjakana sy ny fanoloran’ny filoha Rajoelina azy, afahany mifaninana. Hihaona amin’ireo mpanohana […]
Fananan-tany: mitohy ny fanatsarana ny ady amin’ny kolikoly
Tontosa omaly, teny amin’ ny Hotel Panorama Andrainarivo, ny tatitry ny atrikasa mahakasika ny fitilina ireo ambana kolikoly mandritra ny fizotran’ny fiarovana fananan-tany, nokarakarain’ny Transparency International- Initiative Madagascar (TI- IM). Anisan’ireo izay niatrika izany ny Tahirim-pirenena momba ny fananan-tany, niaraka tamin’ny solontenan’ny fitaleavana momba ny fandrefesan-tany. Ireto farany, izay nisolo […]
Fifandraisana amin’ny any ivelany: fifanarahana fito no vita sonia teo amin’i Angola sy i Madagasikara
Hitohy anio ny fitsidihana ofisialy ataon’ny filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara any Angola. Fifanaraham-piarahamiasa miisa fito no vita sonia, omaly. Manga ny lanitra! Fifanaharaham-piarahamiasa fito no nosoniavin’ny fanjakana malagasy sy angolais, omaly, tao amin’ny lapam-panjakana any Luanda. Tafiditra amin’ny fihaonana eo amin’ny delegasionin’ny firenena roa tonta izany. Nitarika ny fotoana ny filoha […]
Diplaomasia : mametraka ny maha izy azy eto Afrika i Madagasikara
Ao anatin’ny fanatsarana sy fampivelarana ny fifandraisana amin’ny firenena afrikanina ny fitondram-panjakana malagasy. Mifanindry an-dalana amin’izany ny vina sy fanambin’ny firenena afrikanina amin’ny fampanjakana ny “Panafricanisme”. Manatanteraka fivahinianana ara-panjakana any Angola, nanomboka omaly hatramin’ny anio, ny delegasiona malagasy, tarihin’ny filoham-pirenena Rajoelina Andry. Famaliana ny fanasan’ny filohan’ny Repoblikan’i Angola, João Manuel […]




