Tokony ho amin’ny 6 novambra izao ihany ny fifidianana ben’ny Tanàna, hoy ny mpiara-mitantana ny fikambanana Gasy leo, Raherimampianina Nambinina, manoloana ny fanemorana izany ho amin’ny 11 desambra. Ho avy ny orana amin’ny volana desambra, dia mety hisy indray ny fihemorana. Amin’ity taona ity ny fifidianana no tokony hatao. Sahala […]
Politika
Ramamimampionona Gérard: “Asa be no miandry ny governemanta”
“Hita ny zavatra iainan’ny Malagasy amin’izao: fahantrana. Tsy mihinan-kanina izy: ahoana no hihinan’ny hanina? Te hiasa izy: ahoana no ahazoany miasa? Tsy afa-mitsabo tena izy: ahoana no hahazoany mitsabo tena? Te hampiana-janaka izy: ahoana no ahazoana manao izany? Tena asa be izany no miandry ny governemanta amin’izao endri-pahantrana lalina iainan’ny […]
Fitsidihana an’i Guinée-Bissau : noraisina tamim-pomba fanajana ny delegasiona malagasy
Ao anatin’ny fitsidihana ara-panjakana ireo firenena afrikanina ny filoham-pirenena malagasy, miaraka amin’ny delagasiona tarihiny, amin’izao. Fanatsarana ny fifandraisana amin’ny any ivelany sy ny fitadiavana fiaraha-miasa no tanjona amin’izany. Nigadona tao amin’ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena, Osvaldo Viera, ao Bissau, renivohitr’i Guinée-Bissau, omaly tolakandro, ny delegasiona malagasy tarihin’ny filoham-pirenena Rajoelina Andry. Fitsidihana ara-panjakana […]
FANTINA sy FINTINA
“Tsy mety intsony hoe izao no mbola hifampidinika”, hoy ny filohan’ny Antenimierandoholona, ny Jly Ravalomanana Richard, ny faran’ny herinandro teo. Tsy any amin’ny hoe mila fifampidinihana sy fiaraha-mitantana izany izao. Efa voafidy ny filohan’ny Repoblika ary efa voatendry ny Praiminisitra. Aleo hanao ny asany araka ny tokony ho izy ry […]
Kardinaly Tsarahazana Désiré : “Ialao ny fihatsarambelatsihy
Ho an’ny rehetra ny hafatra? “Ialana ny fihatsarambelatsihy, ialana io kabary tsara lahatra io. Fa mba ho hita taratra marina ary hita eo amin’ny fiainana ny fandrosoana, ny fifankatiavana marina”. Izay no anisan’ny anjara fitenenan’ny kardinaly sady arsevakan’ny diosezin’i Toamasina, ny kardinaly Tsarahazana Désiré, nandritra ny sorona masina notarihiny tany […]




