“Manentana ny fikambanana sy ny antoko politika ary ny antokom-pinoana na fiangonana rehetra misy eto amin’ ny tany sy ny fanjakana mba hiara-misalahy hifanome tanana ary hanentana ny manodidina azy sy ny vahoaka amin’ny fametrahana filaminana sy fitoniana eto amin’ny firenena, indrindra amin’ny fanajana ny soatoavina malagasy. Satria ilaintsika izany […]
Politika
Fanamafisana ny fanohanana ny filoha: haneho ny heriny tsy ho ela ny antoko TGV
Efa nampiomana. Niray feo ireo mpitarika sasany eo anivon’ny antoko TGV, ho an’ny eto Antananarivo Renivohitra fa hohamafisina ny fanohanana tsy misy fepetra ny filoha Rajoelina Andry. Nanterin’izy ireo fa mpanorina ny antoko ny filoha ary manana ny vina sy ny veliranony ka tohanan’izy ireo izany. “Antoko matanjaka sy miray […]
Teny fampianarana teny Antsonjombe: nankasitraka ny asa fitoriana i Papa Solo
Hevitra hafa tsy itoviany amin’ireo namany ? Anisan’ ireo voasa ka nanatrika ny fotoam-bavaky ny FJKM natao teny Antsonjombe afak’omaly lasa teo, ny depiote sady filoha lefitry ny Antenimieram-pirenena, Rasolonjatovo Honoré na i “Papa Solo”. Nambarany fa fitaovana lehibe ahazahoana miady amin’ny fiainana andavanandro, ny olana eo amin’ny fiainam-pirenena ary […]
Hetsiky ny minisiteran’ny Asa : hotsirihina ny herisetra eny amin’ny orinasa
Mametraka ho vaindohan-draharaha ny ady atao amin’ny herisetra eny anivon’ny toeram-piasana ny eo anivon’ny minisiteran’ny Asa, ny fampananan’asa, ny asam-panjakana ary ny lalàna sosialy (MTEPLS). Tafiditra amin’ny vina ho an’ny asa mendrika ho an’ny maro anisa izany. Mazava ny lohahevitra, amin’izao hetsika izao : “Herisetra amin’ny toeram-piasana: miady ho an’ […]
Tabera Randriamanantsoa: “Andao aloha hikaon-doha”
“Vonona hatrany amin’ny fifidianana ny antoko Kintana. Fifidianana manao ahoana izay? Tamin’ny taona 2013 izahay no efa niteny na nirotsaka ho filohan’ny Repoblika aza tamin’izany fotoana izany: andao aloha hanao fihaonambem-pirenena”, hoy ny mpandrindra nasionaly sady filohan’ny antoko Kintana, Tabera Randriamanantsoa, manoloana ny raharaham-pirenena. Nanao fifidianana filohan’ ny Repoblika hatrany […]