Politika

Depiote Rakotoniaina Pety: “Minisitra hanao ny asa isam-paritra no ilaina”

“Ho anay solombavambahoaka, mila minisitra hanao an’ireo asa tena ilain’ny isam-paritra izahay”, hoy ny fanehoan-kevitry ny solombavambahoaka voafidy tamin’ny anaran’ny tsy miankina tany Ikalamavony, Faritra Matsiatra Ambony, Rakotoniaina Pety, ny amin’ny fandrafetana go­ver­nemanta vaovao sy izay asa andrasana amin’ny minisitra. Inona moa no zavatra andrasana amin’ny governemanta? Hanao an’ireo asa […]

Seranam-piaramanidina Ivato : hentitra ny fanadiovana, olona roa no hohadihadiana

Mihatra avy hatrany. Izay ny fepetra iadiana amin’ny kolikoly eny amin’ny serenam-piaramanidina, Ivato, nanaovana filankevitra ny minisitra notarihin’ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry, teny Iavoloha, afakomaly, taorian’ny fidinana ifotony. Nomarihiny fa misy anarana tomponandraikitra roa miverimberina amin’ny resaka kolikoly, ka hohadihadiana manokana. Hiato avy hatrany amin’ny asany aloha izy ireo, ary […]

Vondrona iraisam-pirenena: nankasitraka ny Firenena mikambana ny filoha Rajoelina

Manga ny lanitra eo amin’ny fiaraha-miasan’ny firenena malagasy sy ny Firenena mikambana. Nanamafy ny hitohizan’izany ny roa tonta nandritra ny fihaonana, omaly, teny Iavoloha. Tontosa, omaly, teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha, ny fihaonana teo amin’ny mpandrindra ma­haritry ny Firenena mikambana eto Madagasikara, Issa Sanogo, sy ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry. Ankoatra […]

Faritan’Antananarivo: napetraka ny samboadin’ny depiote

Tontosa, omaly, teny amin’ ny Gara Soarano, ny lanonana nametrahana tamin’ny fomba ofisialy ny samboady ho an’ny filoha lefitry ny Antenimieram­pi­renena ho an’ny faritanin’Anta­na­narivo sy ireo solombavambahoakan’i Madagasikara voafidy teto amin’ny faritra Anala­manga sy Itasy ary ny tao Tsi­roanomandidy. Nitarika ny lanonana ny filohan’ny Anteni­mie­rampirenena, Tokely Justin. Nanotrona izany ny […]

MIRALENTA: an-dalana ny politikam-pirenena

“Voalohany, tsy misy ny finiavana politika hanatanteraka an’izay; faharoa, tsy matoky tena na atosika omena toerana aza ny vehivavy indraindray; fahatelo, ny lafiny ko­lon­tsaina eto Madagasikara mbola mametraka ny 70 %, na lahy na vavy, hoe aleo ny lehilahy no hitana ny andraikitra ambony”. Io ny fanazavan’ny manampahaizana momba ny […]