Politika

FANTINA sy FINTINA

Nisantatra ny fametrahana samboady ho an’ny depiote ny distrikan’Ifanadiana. Napetraka ny alakamisy teo izany ho an’ny solombavambahoaka, i Manantena Haja Dinah. Nisaotra ny vahoaka koa ny tenany tamin’izany. Nanotrona tany an-toerana ny filoha lefitry ny Ante­ni­mierampirenena ho an’ny faritanin’i Fianarantsoa sy ny loholona avy any an-toerana. Nohitsin’ny depiote Ratsiraka Roland […]

Ampitifirana Ankatso : fahatsiarovana azy dimy lahy notifirina

Ny lietnà Randriamaro­manana Albert, Rakotondrabe Samuel, Ratsizafy Samuel, i Lezoma ary i Bekamisy. Ireo izy dimy mirahalahy tia tanindrazana notifirin’ny mpanjanatany frantsay teny Ampitifirana Ankatso, ny 19 jolay 1948, noho ny raharaha 29 marsa 1947. 76 taona lasa izay. Nisy ny hetsi-pahatsiarovana tamin’ ny lanonana ara-miaramila sy fametrahana fehezam-boninkazo teny […]

Loholona Rabetsaroana Sylvain: “Mametraka ho ambony ny fahaiza-manao ny filoha”

Niresaka tamin’ny mpanao gazety momba ny raharaham-pirenena amin’ny ankapobeny ny loholona Rabetsaroana Sylvain, omaly. Nambarany tamin’izany fa iray ihany ao anatin’ny fahasamihafana ny Malagasy. “Noporofoin’ny filoham-pirenena fa iray ihany isika ma­noloana ny resabe momba ny fifandanjana isam-paritra”, hoy izy. Nanteriny fa tsy ma­navaka ary tsy mifidy na iza na iza […]

FANTINA sy FINTINA

Nanana soatoavina mifototra amin’ny rariny sy ny fanajana ny zon’olombelona i Nelson Mandela, araka ny nambaran’ny filoha nasionalin’ny MMM, Andrianainarivelo Hajo. Nomarihina omaly, ny Andro maneran-tany ahatsiarovana an’io mpitolona tao Afrika Atsimo io. “Nanandratra ny fitoviana sy ny maha olona izy ka tokony ho lesona ho antsika izany”, hoy izy. […]

Filohan’ny Antenimierampirenena : “Nisy ny dingana natao momba ny zom-pirenena”

Nandray vahiny maromaro ny filohan’ny Antenimieram­pirenena, i Tokely Justin, oma­­ly, teny Tsimbazaza. Anisan’izany ireo eo anivon’ny kaomisaria ambony eo anivon’ny Firenena mikambana misahana ny mpifindra monina. Nitsidika ny filoha vaovao eo anivon’ny Antenimieram­pirenena, i Tokely Justin, ireo mpikambana ao amin’ny “Haut Commissariat des Nations-Unies pour les Réfu­giés – HCR”. Delegasio­nina […]