Taorian’ny fitsidihana nataony tany Frantsa, izay nihaonany tamin’ny filoha frantsay Emmanuel Macron sy nanatrehany ny lanonam-panokafana ny lalao Olympika dia manohy ny diany any amin’ny kaontinanta afrikanina indray ny filoha Rajoelina Andry. Manomboka ny fitsidihana an’i Afrika izay tanterahin’ny filoha Rajoelina Andry. Andrasana anio folakandro ao Bissau, renivohitr’i Guinée-Bissau, izy […]
Politika
FANTINA sy FINTINA
Nodimandry teo amin’ny faha-78 taonany, afakomaly, ny mpanao politika Soja Jean André na Kelata. Filoha mpanangana ny antoko politika Liarake izy, ary mpanolotsaina manokan’ny filohan’ny Repoblika nanomboka tamin’ny taona 2022. Efa loholona sy mpikamban’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita (CST) koa izy, ary mpandraharaha eo amin’ny sehatry ny fizahantany. Ao anatin’ny fankalaza […]
Fifidianana kaominaly: nahemotry ny Ceni amin’ny 11 desambra ny daty
“Mifantoka ao anatin’ny tontolon’ny fifidianana ben’ny Tanàna sy mpanolotsain’ny Tanàna ny resaky ny mpisehatra politika. Nisy ny ny volavolan-kevitra naroson’ny Ceni ny governemanta ny amin’ny tokony hanatanterahana izany amin’ny 6 novambra”. Io ny fanazavan’ny mpampakatenin’ny Ceni, Andriamarotafika Soava, teny Alarobia, omaly, momba ny fanatanterahana fifidianana kaominaly. Nisy ny taratasy nampitain’ny […]
Fihaonan’ny filoha Rajoelina sy i Macron : niompana tamin’ny fampiroboroboana ny lafiny toekarena
Mitohy hatrany ny fiaraha-miasa eo amin’ny fitondram-panjakana malagasy sy ny firenena Frantsay. Mbola hampitombo ny fiaraha-miasa eo amin’ny lafiny toekarena, indrindra ny angovo ny firenena roa tonta. Tontosa omaly, tao amin’ny Lapam-panjakana Elysée, Frantsa, ny fihaonana teo amin’ny filoham-pirenena malagasy, Rajoelina Andry, sy ny filoham-pirenena frantsay, Emmanuel Macron. Tanjona ny […]
FANTINA sy FINTINA
Nigadona omaly maraina any Paris, Frantsa, ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry. Hisy fihaonana manokana eo aminy sy ny filoha frantsay, Emmanuel Macron, ao amin’ny Lapam-panjakana Elysée, anio hariva. Aorian’izay, hanatrika ireo lanonam-panokafana ny lalao olympika 2024 izay nanasana filoham-pirenena maro izy. Nankatoavin’ny filankevitry ny minisitra teny Iavoloha, afakomaly, ny handraisan’i […]




