Politika

Praiminisitra Ntsay Christian :”Tsy maintsy averina ny fandriampahalemana”

“Tsy maintsy averina ny filaminana satria zava-dehibe ho an’ny firenena sy ny fiainam-bahoaka izany.” Io no namintinan’ny Praiminisitra Ntsay Christian, tany Ambo­sitra, ny faran’ny herinandro teo, ny fivoriana notarihiny niaraka tamin’ny OMC-Nat ary ireo olom-boafidy sy olom-boatendry any an-toerana, amin’ny fampanjakana ny fandriampahalemana any amin’ ny faritra Amoron’i Mania, anatin’ny […]

Filoha Rajoelina Andry : “Zo sy adidy ny miady hampandroso an’i Madagasikara”

Nampita hafatra ho an’ny vahoaka malagasy ny filoha Rajoelina Andry tamin’ny fanamarihana sy fahatsiarovana ny 29 marsa. Navoitrany tamin’izany ny tokony hanehoana ny fitiavan-tanindrazana. “Tsy avelantsika ho ra­raka an-tany ny ran’ ireo Malagasy nito­lona ho an’ny fanavotana sy fahafahana ho an’ny firenena. Mitaky adidy entanin’ny fitiavan-tanindrazana ho antsika taranaka mifandimby […]

FANTINA sy FINTINA

Hatsangana ny Foibe fibaikoana “Centre de commandement opérationnel – CCO” amin’ny fihaonana an-tampon’ny COI. Hapetraka eny amin’ny Kianja Barea izany, handrindrana ireo asa rehetra ary efa miroso koa ny fanajariana ireo fotodrafitrasa handraisana ireo delegasiona vahiny, araka ny tatitry ny filankevitry ny minisitra teny Iavoloha. Mitaky fihaonana amin’ny filoha frantsay, […]

Fampandrosoana eny ifotony: Nijery ireo asa vita ny MFFT sy ny ONU Habitat

Hifarana ny tetikasa AF/SEA MOR’AF, iarahana amin’ny minisiteran’ny Fitsin­jaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT) miaraka amin’ny ONU-Habitat. Nidina ifotony nijery ireo asa vita tany Morondava izy ireo. Miisa valo ireo tetikasa mandinika nojerena tamin’izany ho fanamafisana ny fahaiza-miatrika ny fiovan’ny toetr’andro an-tanàn-dehibe. Anisan’ny zava-bita ohatra ireo trano ho fialofana […]

Fanavaozana ny lisi-pifidianana! Mbola manana fotoana hanamarinana ny olom-pirenena

Fampahatsiahivana, fanamafisana… Nambaran’ny eo anivon’ny Ceni ary nanentanan’izy ireo ny rehetra ny hanamarinan’ny tsirairay ny momba azy ao amin’ny lisitry ny mpifidy. “Raha ny lalàna eto Madagasikara, tsy an-tery fa malalaka ny safidin’ny olom-pirenena hoe hisoratra anarana ao anatin’ny lisitry ny mpifidy izy na tsia”. Io ny nambaran’ny tonia mpanatanteraka […]