Miroso amin’ny fiaraha-miombon’antoka lalina kokoa i Madagasikara sy i Indonesia amin’izao. Araka ny fampitam-baovao avy amin’ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny, omaly, fifanekem-piaraha-miasa roa no vita sonia. Nandritra ny fitsidihana ofisialy no nandraisan’ny minisitra misahana ny Raharaham-bahiny indoneziana, i Sugiono, ny minisitry ny Raharaham-bahiny, i N’Diaye Alice, tao Jakarta renivohitra, afakomaly. Eo àry […]
Politika
Kolonely Randrianirina Michaël : “Manohana ny fanambaran’ny HCC aho”
Manoloana ny fanenjehana ireo mpikamban’ny Fitsarana avo momba ny Lalàmpanorenana, nanambara ny fanohanany ny fanambaran’ity andrimpanjakana ity ny filohan’ny Fanavaozana. “Tsy miditra amin’ny asan’ny fitsarana sy ny manodidina azy isika. Izaho indray dia manohana ny hoe: tsy azo enjehina ny mpikamban’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) amin’ny fanapahan-kevitra raisiny […]
FANTINA sy FINTINA
Manao fitsidihana ofisialy any Jakarta, Indonesia, ny 3-4 jona, ny delegasionina malagasy tarihin’ny minisitry ny Raharaham-bahiny, i N’Diaye Alice. Fanamafisana orina ny fiaraha-miasa eo amin’ny firenena roa tonta no antony, ao anatin’ny fankalazana ny faha-50 taonan’ny fifandraisana ara-diplomatika. Andrasana, araka izany, ny fanaovan-tsonia fifanaraham-piaraha-miasa maromaro amina sehatra vaovao ho amin’ny […]
UNDD : “Mila hafainganina ny fikaonandoham-pirenena”
“Toy ny misy fikatsoana ny dingana amin’ny fikaonandoham-pirenena. Ny antony, ny fahitanay azy: misy zavatra tsy ifanarahana ao. Eo amin’ny fitondram-panjakana, indrindra ny minisitera miandraikitra ny Fanavaozana sy ny FFKM”. Io ny fanehoan-kevitry ny filoha nasionaly vonjimaika sady sekretera jeneralin’ny antoko UNDD, i Manoro Régis, manoloana ny fanatanterahana fikaonandoham-pirenena. Matoky sy […]
Tsy misy fanambarana mazava: Mihazohazo ny fikaonandoham-pirenena
Hatao ihany saingy mbola misy fandaminana ny fikaonandoham-pirenena. Nivory maika, omaly, ny tomponandraikitra voakasik’izany: ny Fiadidiana ny Repoblika, ny FFKM ary ny minisitera mpiahy. Hatramin’ny fotoana farany, tsy raikitra ny fikaonandoham-pirenena ho an’ny rehetra teny amin’ny CCI, Ivato, omaly, araka ny tetiandro naroson’ny fitondram-panjakana hatramin’izay, indrindra ny eo anivon’ny minisitera […]




