Politika

Andrianainarivelo Hajo : “Mila miova ny fomba fiasa ahafahana mivoatra”

Nambaran’ny kandidà, Andrianainarivelo Hajo, fa anisan’ny manova ny fiarahamonina sy mampivoatra ny firenena ny fitsinjaram-pahefana tena izy sy ny fanjakana tan-dalàna ary ny fanatsarana ny fari-piainan’ny vahoaka. No­hitsiny fa anisan’ny mahatonga ireo mpampiasa vola tsy ho voasarika ny tsy fipetrahan’ny tany tan-dalàna. Mitombo isa ireo tsy an’asa. “Tena diso laharam-pahamehana […]

Mahanoro : ratsy ny làlana RN 11 A

Mateti-pitranga ny halatra moto ao Toamasina. Tsy hita mihitsy ny hiafaran’izy ireny. Manamafy izany ny fahatrarana moto very, hita tany Mananjary sy Taolagnaro. Vokany, nandritra ny fanadihadiana natao teny amin’ny seranan-tsam­bon’ny Lakandranon’i Pangalana tao Mahanoro no nahalalana fa tsy misy fanaraha-maso ny entana haondrana. Eo koa ny entana mivoaka eo […]

Kaominina Antehiroka : vaky ny adin’ny ben’ny Tanàna sy ny lefitra voalohany

Hampiakatra ny raharaha eny anivon’ny fitsarana ny ben’ny Tanànan’ny kaominina Antehiroka. Fanalam-baraka nataon’ny lefitra voalohany no anton’izany. Nanao fanambarana ny lefitra voalohany eo anivon’ny kaominana, tamin’ ny herinandro lasa teo. “Te­rena hanao sonia taratasy hosoka izay tsy manaraka ny lalàna ny tenany, ary milaza fa vavolom-belona tamin’ny tsy fanarahan-dalàna nataon’ny […]

Filohan’ny OJM : “Avelao hiasa malalaka ny mpanao gazety”

Manana anjara andraikitra lehibe amin’ny fanatanterahana ny fifidianana ny mpanao gazety. Mampahatsiahy amin’ny famelana malalaka azy ireo hanao ny asany ny filohan’ny Holafitra (OJM) manoloana izany. Nitondra fanazavana ny andraikitry ny mpanao gazety amin’izao fiatrehana ny fifidianana izao ny filohan’ny Holafitry ny mpanao gazety (OJM), i Monica Rasoloarison. Nambarany fa […]