“Anjara andraikitra goavana andrasan’ny firenena amin’ny Foloalindahy amin’ ny fitandroana ny filaminana sy fanajana ny lalàm-panorenana amin’ny maha taona miavaka ity taona 2023 ity , noho izy taom-pifidianana”: hoy ny minisitry ny Fiarovam-pirenena (MDN), omaly, teny Ampahibe, nandritra ny fiarahabana tratry ny taona vaovao 2023. Nohamafisiny fa manana andraikitra lehibe […]
Politika
Fitsarana mitety vohitra : mangataka fampitaovana sy vola ny SMM
Miroso hatrany ny fitsarana mitety vohitra. Misedra olana eo am-panatanterahana izany anefa ireo mpitsara, amin’izao fotoana izao. Tsy afaka ny hangina. “Aleo mba jerena akaiky ilay izy, satria misy ny mpitsara sahirana ihany amin’ny fandehanana amin’ ireny toerana mitoka-monina ireny. Efa niteny hatrany izahay hoe tsy sakana”, hoy ny fanehoan-kevitry […]
Razanamahasoa Christine : miantso fitoniana eto amin’ny firenena
Nirary soa sy fahombiazana ombam-pahasalamana ho an’ny vahoaka Malagasy ny filohan’ny Antenimierampirenena, Razanamahasoa Christine. Nosinganiny manokana koa ireo solombavambahoaka namany rehetra sy ireo mpiara-miasa rehetra eny amin’ny lapan’i Tsimbazaza. “Mba ho taona zina anjakan’ny filaminana, fitoniana, fifankatiavana anie ity taona vaovao ity ary ho eo ambany fitahian’ Andriamanitra izany”, hoy […]
Analalava – Lisitry ny mpifidy : toy ny zava-poana ny ezaka
“Kamo manatona ny kaominina tsirairay ny lehiben’ny distrika. Izay no mahatonga ny hoe tsy tomombana ny asany. Lasa ny sasany voasoratra amin’ny lisitry ny mpifidy, ny sasany tsy voasoratra. Toy ny hoe zava-poana ny ezaka ataon’ny fitondram-panjakana”, hoy ny depiote voafidy any Analalava, i Djaosera Irénée. Mialoha ny fisoratana anarana […]
Filohan’ny FJKM : “Hitsilo ny diantsika ny hafatra feno fahendrena…”
Nirary soa ny vahoaka sy ny kristianina koa ny eo anivon’ny FJKM, amin’ny alalan’ny filohany, ny mpitandrina Andriamahazosoa Irako Ammi, amin’izao taona vaovao izao. “Misaora ny Tompo ry fanahiko. Miarahaba antsika mba ho feno ny fahasoavan’ Andriamanitra. Homba antsika ary hitsilo ny diantsika amin’ity taona ity ny hafatra feno fahendrena […]