Tombony lehibe ho an’i Madagasikara ny fisitrahana ny IDA 21. Izany indrindra no anton’izao fihaonana an-tampony izao. Miezaka hatrany ny tomponandraiki-panjakana manao ny ezaka ahafahana misitraka hatrany ity fanampiana ity. Hisokatra amin’ny fomba ofisialy, anio, ao Nairobi – Kenya, ny fihaonana an-tampon’ny Filoham-pirenena sy Filoham-panjakana. Ny mahakasika ny fanangonam-bola ho […]
Politika
FANTINA sy FINTINA
Nisaotra ireo nitondra am-bavaka azy ny kandidà depiote, Ramalason Olga. Nivoaka ny fonjan’Antanimora, ny zoma hariva, ny tenany. “Valim-bavaka izao ka isaorana Andriamanitra fa afaka soa aman-tsara. Mankasitraka antsika rehetra”, hoy izy. Tsiahivina, naiditra am-ponja ny 23 avrily teo izy noho ny fiahiahiana kolikoly tao Antsirabe. Nanentana ireo mpomba azy […]
NY FIVAVAHANA: “Tsy tokony ho lasa fitaovana politika”
“Mila mitandrina isika amin’ ny resaka fivavahana”, hoy ny fanehoan-kevitry ny mpandinika fiarahamonina sady mpanao politika, Rabary Paul, manoloana ny fisian’ny karazana antokom-pivavahana mijoro sy miasa etsy sy eroa amin’izao fotoana izao, izay misy lasa fitadiavam-bola na fangoronan-karena ny sasany. Lasa fanaovana afera ny fivavahana amin’izany, lasa fanodinkodinan-tsaina sy fandemen-tsaina. […]
Fandraisana andraikitra : hanara-maso ny fifidianana ny tanora, ny vehivavy…
Hanetsika mpanara-maso ny fifidianana ny eo anivon’ny Safidy, amin’izao hiatrehana ny fifidianana depiote izao. Ahitana sokajin’olona samihafa izany fandraisana andraikitra izany. “Nisafidy ny hirotsaka ho Mpanara-maso fifidianana ireo tanora, vehivavy ary ny manana fahasembanana noho ny fahatsapan’izy ireo ny adidy masina amin’ny maha olompirenena mandray andraikitra sy amin’ny maha mpikambana feno azy […]
Filoha Rajoelina Andry: nitokana fotodrafitrasa maro ao amin’ny faritra Anosy
Manao tohivakana ny fitokanana fotodrafitrasam-pampandrosoana ataon’ny filoham-pirenena ao amin’ny faritra Anosy. Natsangana ao an-toerana ny « Hôtel des finances » fahadimy eto Madagasikara. Mitohy hatrany ny asa fampandrosoana ataon’ny fitondram-panjakana amin’ny alalan’ny fananganana ireo fotodrafitrasa hanatsarana ny fiainan’ny mponina. Notokanan’ny filoham-pirenena, Rajoelina Andry, omaly, ny « Hôtel des finances » izay miorina ao amin’ny fokontany […]




