“Andry fahatelo amin’ny Politika ankapoben’ny fanjakana (PGE) ny fitondrana tsara tantana. Manana ampahany lehibe amin’izany ny ady amin’ny kolikoly. Koa manohana ny rafitra iadiana amin’ny kolikoly ny FMI amin’ny famolavolana paikady vaovao iadiana amin’ny kolikoly”. Io ny fanazavan’ny filohan’ny Komity fitandroana ny fahitsiana (CSI), Rabenarivo Sahondra, ny amin’ny fihaonan’ny iraky […]
Politika
Fampielezan-kevitra : hiteny maimaimpoana ao amin’ny TVM sy RNM ny kandidà
Nampahafantatra ireo kandidà depiote ny eo anivon’ny Ceni fa omena ampaham-potoana maimaimpoana ao amin’ ny TVM/RNM. Misy anefa ny fepetra momba izany. Hanomboka ny 8 mey izao hatramin’ny 27 mey, hatramin’ny misasakalina, ao amin’ny TVM/ RNM izany. Handeha amin’ny 8 ora – 8 ora sasany alina ny fandaharana ka mahazo […]
FANTINA sy FINTINA
Voatendry ho governora mpisolo toerana ho an’ny faritra Ihorombe, Rakotondrasoa Annie Frankline, araka ny fanapahan’ny filankevitry ny minisitra, afakomaly, teny Iavoloha. Ho mpisolo toerana any Atsinanana, Bemahefa Gervais. Foana kosa ny fanendrena ny governoran’Itasy sy ny any Vatovavy. Nankatoavin’ny fanjakana ny fitazonana ny toerana misy ny masoivoho any Sina, amin’izao […]
Minisitry ny fanajariana ny tany : nanolotra 6 lavitrisa Ariary mahery
Nitsidika ny faritra Atsimo Andrefana ny minisitry ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany, Andriantsitohaina Naina, afakomaly. Nifampitaona sy nihaona tamin’ireo rehetra sy ny solontenan’ireo mponina nisitraka tombontsoa, tamin’ny alalan’ny tetikasa “Mionjo”, tany an-toerana, izy. Nanolotra vola 6 046 634 842 Ariary hanampiana ny kaominina maro, avy amin’ny distrika telo, ao anatin’ny […]
Razafiarison Laza: “Mila ovaina ny rafitra parlemantera”
Irosoana izao ny fifidianana depiote. Hanao ahoana? Manana ny fijeriny ny filohan’ny antoko RCR, Razafiarison Laza, fa ilaina ovaina ny rafitra parlemantera. Fanehoan-kevitra… “Raha depiote iray amin’ireo boriborintany enina eto Antananarivo, ohatra, no manolotra lalàna: lalàna toy inona no azon’ny eny anivon’ny parlemanta hanatsarana an’Antananarivo? Tsy misy izany. Noho izany, […]




