Mikarakara hetsika ny OJM hanamarihina ny Andro maneran-tany ho an’ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety, anio. Anisan’izany ny etsy amin’ny tsangambato Analakely, ny adihevitra eny amin’ny Havoria Anosy ary koa ny fizarana valisoa tamin’ny fifaninanana “Grand prix Malina”. Eo koa ny fifaninanana ara-panatanjahantena sy korana, rahampitso. Mila fahasahiana sy fihavanana ny fanovana, […]
Politika
Raharaham-pirenena : hivory haka fanapahan-kevitra ny FFKM
Hivory ireo filoham-piangonana efatra mirahalahy eo anivon’ny FFKM amin’ity volana mey ity. Anisan’ny hodinihin’izy ireo ny momba ny fiainam-pirenena ankapobeny. Tsy mbola voafaritra ny daty hanatanterahana izany, raha ny nambaran’ny loharanom-baovao iray eo anivon’ny fiangonana. Tombanana anefa fa tsy ho aorian’ny Pantekoty izany satria hamoaka ny hafatra, tahaka ny mahazatra […]
MFM : «Potika ny hasin’ny antoko politika»
Tsy nitsitsy fitenenana momba ny fomba fanaovana politika sy ny antoko politika ny eo anivon’ny MFM. Tsy mandeha amin’ny laoniny izany, araka ny fanehoan-kevitr’izy ireo. “Raharahan’ny mpanam-bola ny fifidianana ataontsika eto, fa tsy raharahan’ny olona manana eritreritra hampandroso ny firenena sy ny antoko politika. Tsy misy lanjany intsony ankehitriny ny […]
Minisitra Andriantsitohaina Naina : zava-dehibe ny fiarovana amin’ny tondradrano
Nahazo fitaovana hanamafisana ny fitantanana ireo lakandrano eto Antananarivo sy ny manodidina ny eo anivon’ny Sampandraharaha miaro ny lemak’Antananarivo (Apipa). Nanambara ny maha zava-dehibe izany, ny minisitra Andriantsitohaina Naina. Hihena tsy ho toy ny taloha ny ho fiantraikan’ny fiakaran’ny rano. Nambaran’ny minisitry ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT), […]
Fikambanan’ny zanaka Antesaka : “Takinay ny hamoahana ny kandidà Mahavitara”
Hentitra ny fitakian’ny fikambanan’ny zanaka Antesaka monina eto Antananarivo, araka ny fanambarana nataon’izy ireo afakomaly, tetsy Andrefan’Ambohijanahary. Manome 48ora, hatramin’ ny omaly, ho an’ny fanjakana izy ireo hamoahana ny kandidà avy any Vangaindrano, i Mahavitara Sylvestre, voafonja vonjimaika eny Antanimora. “Haka ny fepetra rehetra izahay rehefa tapitra io fe-potoana io”, […]




