« Tsy mioiva ireo toromarika efa nomena hatrizay fa ampiana ny capitalisation (fitandroana, fanangonana sy fanohizana ary fanomezana tombon-dahiny ireo tsara rehefa efa vitan’ny zandarimaria nandritra ny vanim-potoana niorenany »,hoy ny Sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena, ny Jly Serge Gellé nandritra ny fiarahabana tratry ny taona 2023 niarahany tamin’ny kaomandin’ny zandarimariam-pirenena (COMGN) teny […]
Politika
Fotodrafitrasa ao Toamasina: efa vita ny ampahany voalohany amin’ny Miami
Miroso ny fanatanterahana ny tetikasan’ny filoham-pirenena. Anisan’ny efa misongadina ao Toamasina ny fotodrafitrasa hialana voly sy ho an’ny fanatajahantena ary koa ny natokana ho an’ny mpanao asa tanana. Efa vita ary natao ny alakamisy 29 desambra 2022 teo, ny fandraisana ara-teknika ny ampahany voalohany amin’ny tetikasa Miray hina ary mifankatia […]
Namearison Robert : “Tsy fisehosehoana ny fambolen-kazo”
“Ny fambolen-kazo ataontsika hatramin’izay, toy ny hoe fisehosehoana fotsiny. Ny hazo maty no betsaka indrindra noho ny hazo velona. Manolo-kevitra izahay hoe: aoka izay ny fisehosehoana sy ny fizahozahoana”, hoy ny filoha nasionalin’ny KMF/Cnoe Fanabeazana olom-pirenena, i Namearison Robert. Aoka mba ho fambolen-kazona tompon’andraikitra no atao. Homena andraikitra ny firaisamonina ifotony […]
Fitantanana diosezy : hametraka ny evekan’Ambanja ny Mgr Tomasz Grysa
Anisan’ny miandry avy hatrany ny “Nonce apostolique” vaovao, ny Mgr Tomasz Grysa ny fametrahana ny mompera Randriamalala Donatien Francis ho evekan’ Ambanja. Hatao ny 15 janoary ho avy izao izany. Efa nigadona, afakomaly, eto Madagasikara, ity solontenan’i Vatikana eto amintsika ity. Mbola hihaona amin’ireo mpitondra fanjakana, tahaka ny fanaon’ireo masoivoho […]
Depiote Voninahitsy Jean-Eugène : “Ilaina ny fanavaozana tanteraka ny lisitry ny mpifidy”
“Tiako ny fanapahan-kevitry ny fitondram-panjakana hanaovana ny fanavaozana tanteraka ny lisitry ny mpifidy. Mampitombo ny isan’ny mpifidy io”, hoy ny depiote voafidy tany Morafenobe tamin’ny anaran’ny RPSD Vaovao, i Voninahitsy Jean-Eugene. Satria araka ny fomba fitenin’ny olona hoe tsy mivaky loha amin’iny faritra misy an-dry zareo iny ny fitondrana nifandimby […]