“Tsy misy na fivoriana indray mandeha aza hoe hevitra hanonganana ny filohan’ny Antenimierampirenena, na handravana sy hanovana ny birao maharitra”, hoy ny kestora faharoa izay depiote voafidy tamin’ny anaran’ny IRD, Rakotomanga Lanto, teny Tsimbazaza, afakomaly, manoloana ny hoe fikasana hanonganana ny filohan’ny Antenimierampirenena, Razanamahasoa Christine, noho ny fijoroany hanao fanelanelanana […]
Politika
Filohan’ny Repoblika vaovao: Azo aroso mialoha ny fianianana
Tsy misy lalàna sy fototra manery ny Fitsarana avo momba ny Lalàmpanorenana (HCC) hoe tsy maintsy miandry ny 19 janoary ny fianianan’ny filohan’ny Repoblika voafidy, araka ny fanazavan’ny mpahay lalàna sady loholona, Andrianandrasana Tahina Hajaniaina, teny Anosy, omaly, momba ny fianianan’ny filohan’ny Repoblika vaovao. “Tsy mametra ny daty hanaovana fianianana […]
Rakotoarijaona Jerry : “Ho marin-toerana ihany ny fanjakana hijoro eo”
Mahabe adihevitra amin’izao ny hoe hanana ny maha ara-dalàna azy ny fitondrana mijoro eo, fa tsy hanana ny ara-drariny tamin’iny fifidianana iny. Maneho ny fijeriny ny mpandrindra ny vovonana Jeunes patriotes révolutionnaires malagasy (JPRM), Rakotoarijaona Jerry: “Na inona na inona mbola resahina, resy lahatra amin’ilay mpitondra ny olona. Izay no […]
edbm : manamora ny fikirakirana antontan-taratasy
Miverina mahazo ny ovam-pivoarana talohan’ny Covid-19 ny tontolon’ny fandraharahana. Ho an’ny renivohitra manokana, manodidina ny 1 200 ny orinasa nisokatra nanomboka ny volana janoary ka hatramin’ny volana septambra teo. Maro anisa amin’izany ireo orinasa misehatra amin’ny lamba, fitrandrahana ny harena an-kibon’ny tany, ny fambolena ary ny fiompiana. “Manodidina ny 1 […]
Fondation Tany Meva: nivoaka ny drafitrasa 5 ho an’ny taona 2023-2027
Tapitra tamin’ny taona 2022 ny drafitrasa andiany fahefatra an’ny fikambanana Fondation Tany Meva. Hifantoka amin’ny fanatsarana ny velon-tena, ny fanatsarana ny sosialy ary ny fiarovana ny tontolo iainana ny andiany fahadimy (2023-2027). Nampahafantarina ny 21 novambra teo, ny drafitrasan’ny Fondation Tany Meva ho an’ny dimy taona manaraka (2023-2027). Misahana ny fanohanana […]




