Politika

Ben’ny Tanàna, A. Naina: “Adidy masina ny fifidianana”

“Adidy masina ny fifidianana filoham-pirenena tahaka izao ka tonga izahay mianakavy, haneho ny safidinay”, hoy ny ben’ny Tanànan’Antananarivo, Andriantsitohaina Naina, omaly. Nanefa ny adidiny amin’ny fifidianana teny amin’ny EPP Analamihitsy tanana, ny tenany sy ny vadiny. Nam­barany tamin’izany fa milamina ny eto an-drenivohitra sy ny manodidina ary milamina tahaka izany […]

Kandidà Andry Rajoelina : “Matoky ny fahamatoran’ny vahoaka aho”

Naneho ny heviny momba ny fifidianana ny kandidà, Andry Rajoelina, omaly, taorian’ny latsa-bato nataony teny Ambatobe. Nambarany tamin’izany ny momba ny fahitany ny fizotran’ny fifidianana. “Matoky ny fahamatoran’ny demokrasia malagasy aho, ary matoky ny safidin’ny vahoaka”, hoy ny kandidà lah. 3, Rajoelina Andry, taorian’ny latsa-batony teny Ambato­be, omaly. Misy hatrany […]

Masoivohon’i Etazonia : hanaraka ny toe-draharaha

Namoaka fanambarana tao amin’ny “Facebook” ny masoivohon’i Etazonia sy ny sehatra iraisam-pirenena, omaly. Mifan­toka amin’ny fifidianana izy ireo ary nahita fa nizotra tamim-pilaminana amin’ny ankapobeny ny andron’ny fifidianana ary tsy nisy tatitra tranga momba ny herisetra, omaly. Vonona hatrany ny hanohana ny finiavan’ny vahoaka hisitraka ny zon’izy ireo handray anjara […]

Fifidianana : nizotra am-pilaminana na teo aza ny indrokely

Nizotra am-pilaminana ny fifidianana filoham-pirenena fihodinana voalohany, notanterahina, omaly, manerana ny Nosy. Voahaja avokoa ireo fepetra samihafa sy ny rindran-damina napetraky ny Ceni. Na izany aza, nisehoana olana madinika ihany ny Birao fandatsaham-bato (BV) sasany nefa tsy nanakana ny fizotry ny fifidianana izany amin’ny ankapobeny. Anisan’izany ny tranga tao Toamasina na […]

Antananarivo : navitrika nifidy ny vehivavy

Tsy dia narisika tamin’ny fifidianana ny olom-pirenena nanerana ireo biraom-pifidianana teto Antananarivo, raha ny zava-nisy. Natahotra ny ankamaroan’ireo olona na mety ho nisy na tsia ny fifidianana vao tonga nifidy tsikelikely ny tapany hariva. Vehivavy maherin’ny 35 taona no tena nazoto nifidy tamin’ny ankapobeny. Manodidina ny 428 hatramin’ny 600 mahery […]