Fitohizan’ny fiaraha-miasan’ny fiangonana sy ny fanjakana. Nanolotra fanampiana amin’ny fananganana na fanavaozana tranom-piangonana hatrany ny filoha Rajoelina Andry. Namoaka ny ampahan’ny tatitra momba izany ny sampan-draharaha misahana ny fiaraha-miasa sy ny fifandraisana amin’ny ara-pinoana (DRCC) eo anivon’ny fiadidiana ny Repoblika, afakomaly. Anisan’ny nisitraka izany ny fiangonana vaovao na nohatsaraina izany […]
Politika
Raholinarivo Paolo: “Mila politika matotra ny fitandroana filaminana”
“Avy amin’ny tsy fananana politika fitandroana filaminana matotra ny tsy fandriampahalemana. Eo koa ny tsy fandraisana andraikitry ny tomponandraikitra mifanandrify amin’izany”, hoy ny filohan’ny sendikàn’ny adminisitratera sivily (Synad), Raholinarivo Paolo. Ny fitondram-panjakana no tompon’ny fitandroana filaminana: ny prefet sy ny lehiben’ny distrika raha any amin’ny lafintany, ary ny Praiminisitra raha […]
Andriamoraniaina Niaina Harijaona: “Aoka tsy hiandry savorovoro vao hifampidinika”
“Tsy hiandry efa misy savorovoro isika vao hiady hevitra momba ny hanatsarana ny tontolo mialoha ny fifidianana sy ny lalàna enti-mitantana ny fifidianana hahazoana manana fifidianana matotra”, hoy ny mpandrindra teknika ny hetsika Rohy, Andriamoraniaina Niaina Harijaona, teny Analakely. Eo koa ny fahazoana manana rafitra hikarakara fifidianana matotra ary hahazoana […]
Fisalasalan’ireo depiote: naato ny fandinihana ny momba ireo ben’ny Tanàna
Nahemotra amin’ny fotoana manaraka. Niverenana nodinihina teny amin’ny Antenimierampirenena indray, omaly, ilay tolo-dalàna momba ny fitsinjaram-pahefana. Efa nolanian’ireo loholona izany, saingy nasiam-panitsiana ary izao naverina eny Tsimbazaza izao indray. Nivoitra tamin’izany fa ahina hiteraka olana lehibe eny anivon’ny fiarahamonina rehefa mihantona amin’ny asany ny ben’ny Tanàna noho ny raharaha mahavoarohirohy […]
Lakolosy fanairan’ny fiarahamonim-pirenena: “Aoka tsy hosakanan’ny depiote ireo tokony hotsaraina “
Nanao fanambarana, misintona lakolosy ireo fikambanan’ny fiarahamonim-pirenena miisa valo, omaly. Anton’izany ny fahitan’izy ireo fa tsy mandeha any amin’ny fahombiazana ny ady amin’ny kolikoly. Anisan’ny tsy afa-bela amin’izany ny fanapahan-kevitra raisin’ny fanjakana, ahitana ny mpanatanteraka sy ny mpanao lalàna, ireo mpomba ny fitondrana (IRD) maro anisa, araka ny fanambarana. “Takinay […]