Tsy mbola nifarana ! Niarahaba sy nirary soa ny filoha Andry Rajoelina sy ny vahoaka malagasy ny fanjakana Maraokanina sy Sinoa. Nampita ny hafatra, tamin’ny alalan’ny mpitondra tenin’ny minisitry ny Raharaham-bahiny, i Wang Wenbin, ny filohan’i Sina amin’izao nahavoafidy indray ny filohan’ny Repoblika, Andry Rajoelina, izao. Nivoitra tamin’izany ny fiderany […]
Politika
Fanapahan-kevitry ny CSM: miisa 500 ny famindran-toerana ireo mpitsara
Notanterahina omaly, tetsy Anosy, ny fiarahabana ireo mpikambana vaovao eo anivon’ny Filankevitra ambonin’ny mpitsara (CSM). Nisy ny fisaorana ireo birao teo aloha. Nambaran’ny minisitry ny Fitsarana, Randriamanantenasoa Landy Mbolatiana, sady filoha lefitra tamin’izany fa tsy mora ny asa tao anatin’ny telo taona nefa tsy maintsy notanterahina. Anisan’izany ny fanapahan-kevitra miisa […]
FANDRAFETANA GOVERNEMANTA: “Malalaka ny filoha”, hoy ny Depiote Rakotondrasoa Fetra
Tsy tokony hisy olona na vondron’olona haneritery ny filohan’ny Repoblika amin’ny fisafidianana izay ho mpikamban’ny governemanta vaovao hajoro eo, araka ny fanehoan-kevitry ny avy amin’ny antoko Freedom, ny depiote voafidy tamin’ny anaran’ny IRD tany Miarinarivo, Rakotondrasoa Fetra, momba ny fandrafetana ny governemanta amin’ny fe-potoam-piasana faharoan’ny filoha Rajoelina. Tsy olona no […]
Kolikoly sy fanodinkodinam-bola : nogiazan’ny Arai ny vola 6 miliara Ar sy fiara miisa 206
Napetraka ny paikady vaovao hoenti-manatsara ny asa famerenana amin’ny fanjakana ny harena azo tamin’ny fomba tsy ara-dalàna. Efa nahazoam-bokatra ny asa vita teo aloha, araka ny tatitra natao tetsy Antanimena, omaly. Nambaran’ny tale jeneralin’ny Antokondraharaha misahana ny famerenana ireo harena azo tsy ara-dalàna (Arai), Rasoloharimanana Aimé, fa mitentina 6 miliara […]
FARITRA ATSINANANA : nirary soa ny filoha Rajoelina Andry
Tsy niandry ela. Naneho ny hafaliny sy firariantsoa avy hatrany ny avy amin’ny faritra Atsinanana manontolo, tamin’ny alalan’ny governora, Rafidison Richard Théodore, mivady. “Midika ho fitohizan’ny asa fampandrosoana ny faritra, amin’ny alalan’ny fanamboarana ireo fotodrafitrasa goavana, hanala ny fahasahiranam-bahoaka izao fahalanianao izao”, hoy izy. Notanisainy tamin’izany ny lalambe migodana “Autoroute” sy […]




