Hentitra ny filoham-panjakana mpisolo toerana, ny Jly Ravalomanana Richard sy ny prefet de police, ny Jly Ravelonarivo Angelo. Nampitandrina ireo halaim-panahy hanakorontana izy ireo amin’izao hanaovan’ny filohan’ny Repoblika fianianana izao. Nambaran’ny prefet de police, ny Jly Ravelonarivo Angelo fa hihamafy kokoa ny fanamafisana ny fitandroana ny filaminana. “Voarara ny hetsika […]
Politika
Fifidianana ny ho filoha lefitry ny Antenimiera : Depiote 74 amin’ireo 132 no nifidy an-dRaholdina Naivo
Notanterahina omaly, teny amin’ny Lapan’i Tsimbazaza ny fifidianana ny ho filoha lefitry ny Antenimierampirenena, ho an’ny faritanin’Antananarivo. Voafidy tamin’izany ny solombavambahoaka, Raholdina Naivo, tamin’ny isam-bato 74 amin’ireo depiote miisa 132, nifidy. Nifaninana taminy tamin’izany ny depiote voafidy tany Antanifotsy, Rafidimanana Narson. Nahazo vato miisa 58 amin’ireo solombavambahoaka 132 ny tenany […]
Andry Rajoelina : «Laharam-pahamehana ny fitsinjovana ny vahoaka madinika»
Tsy niandry ela, niasa sy nitsidika ny vahoaka sahady ny filoha Andry Rajoelina, andro vitsy taorian’ny namoahana ny voka-pifidianana. “Tsy maintsy hiasa ho an’ny vahoaka” hoy izy, tanatin’izany fidinana ifotony nataony izany. Tontosa omaly, teny amin’ny kianja ANS Ampefiloha, ny fizarana ny “Hazavana ho anao”, jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro […]
Raderanirina Sendrison: « Mbola manana ny fifidianana depiote ny vahoaka… »
Efa tokony hifantoka amin’ny fifidianana solombavambahoaka sy ny ben’ny Tanàna indray ny rehetra. Io ny hevitra nambaran-dRaderanirina Sendrison Daniela. “Tany demokratika i Madagsikara ka ny fanarahana sy fanajana ireo fitsipika mamaritra izany no anisan’ny fanehoana izany”, hoy Raderanirina Sendrison Daniela, kandidà nandritra ny fifidianana filoham-pirenena malagasy farany teo. Niantso ny rehetra, indrindra ny vahoaka […]
Depiote “Del kely”: “Ravao any ny Antenimiera fa tsy olana…”
Nitondra ny heviny, manoloana ny feo mandeha amin’ny mety handravana ny Antenimierampirenena ny depiote, Razara Pierre Fidèle na i “Del kely” tao amin’ny Miara-manonja (MM). “Ravao ny Antenimierampirenena fa tsy olana izany. Hijoro hatrany izahay ary aza matahotra izany isika depiote”, hoy izy. Notsiahiviny fa manohana hatrany ny filohan’ity Andrimpanjakana ity, Razanamahasoa Christine, […]




