Politika

Holafitry ny mpisolovava : “Maimaimpoana ny fiarovana ny marefo”

Nifarana omaly, tetsy Anosy ny fikaonandoha iraisam-pirenena eo amin’ireo mpisolovava. Anisan’ny nandray anjara tamin’izany ny avy amin’ny Holafitry ny mpisolovava eto Madagasikara. Nambaran’ny lehiben’ny Holafitra, ny Me Raondry Alain, fa mandrotsaka latsakemboka ny fanjakana ho amin’ny lafiny fiarovana. “Maimaimpoana ny fahazoan’ireo marefo mpisolovava raha ny voalazan’ny lalàna amin’ny ady madio. […]

Depiote Rabenirina Jean-Jacques: “Tsy manana sora-bola hamonjena traboina izahay”

“Aoka hazava ny an­draikitry ny tsirairay manoloana ny fisian’ny traboina. Izahay solombavambahoaka dia tsy manana sora-bola natokana ha­monjena ny olona traboina toy izao”. Io ny fanehoan-kevitry ny depiote voafidy tany Betioky Atsimo tamin’ny anaran’ny vondrona Firaisankina, Rabenirina Jean-Jacques, teny Tsimbazaza, omaly, ny amin’ny famonjena traboina. Raha misy ny mahita an’izay […]

Fiaraha-miasa : Hizara traikefa amin’ny Tafika Malagasy i Tiorkia

Nandray ny masoivohon’i Tiorkia miasa sy monina eto Madagasikara, Ishak Ebrar Çubukçu, ny minisitry ny Fiarovam-pirenena (MDN), ny Jly Rakotoarijaona Josoa, afakomaly, teny Ampahibe. Ni­voitra tamin’ny fihaonana fa efa nahazo tombony ta­min’ ny fampiofanana tany Tiorkia ny Tafika Malagasy. Nison­ga­dina tamin’ny lahadiniky ny roa tonta nandritra ny fihaonana rahateo ny […]

Baolina kitra any Allemagne: Tafiditra anatin’ny « onze type » i Bolo

Miezaka mampiseho sy mampisongadina ny tenany any Allemagne ilay Malagasy mpilalao baolina kitra, i Voahari­niaina Kanto Fitiavana na i Bolo. Araka ny fikarohana natao omaly, tafiditra anatin’ireo mpilalao 11 tsara indrindra, “onze type”, taorian’ny andro faha-24 ny fifaninanana rezionaly ny tenany. Tapa-bolana mahery teo izay no niarahan’ity Malaga­sy ity tamin’ny […]

Transparency International – IM: “Mbola vitsy ny vehivavy mpisehatra politika”

Nampahatsiahy ny eo anivon’ny Transparency International Initiative Madagasikara (TI-IM) fa higadona afaka andro vitsy ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny zon’ny vehivavy. Nambaran’izy ireo fa marobe ireo sakana ho an’ny vehivavy eo amin’ny fandraisana andraikitra ara-politika. “Mbola vitsy anisa izy ireo eo amin’izany sehatra izany. 27 % monja ny tahan’izy ireo […]