Andro iraisam-pirenena ho an’ny fandriampahalemana , omaly. Nitondra hafatra mafonja ny minisitry ny Fiarovam-pirenena (MDN), ny Jly Rakotoarijaona Josoa. « Izany no andrandraina isan’andro eto Madagasikara ka anaovana antso avo ho an’ny fitoniana amin’ny lafiny rehetra. Manana adidy sy andraikitra voalohany amin’izany ny Foloalindahy, ka tsy sasatra mamerina hoe : aoka samy hitandro […]
Politika
Mahavimbina Alain: « Zava-dehibe ny tsy fivadibadihana »
Anisan’ny nanotrona ny fampahafantarana ny vovonana UPAR, teny amin’ny CCI Ivato, ny lehiben’ny faritra Atsinanana, tamin’ny andron’ny Tetezamita, Mahavimbina Alain. Anisan’ireo tsy nivadika tamin’ny filoha Rajoelina Andry rahateo izy taorian’ny nanesorana azy tamin’ny toerany. « 11 taona aho tsy nitazona toerana tamin’ny fitondram-panjakana. Niezaka ny tsy hivadika tamin’ny foto-kevitra politika aho. […]
“Union pro Andry Rajoelina – Upar” : hampandany ny kandidà n°3
Nampahafantarina teny amin’ny CCI Ivato, omaly, ny fijoroan’ny Vondron’ireo mpanohana an’i Andry Rajoelina “Union pro Andry Rajoelina – Upar”. Naneho fahavononana sy resy lahatra ny hampandany ny kandidà laharana fahatelo izy ireo amin’ny fifidianana. Nivoitra tamin’ireo lahateny nifandimbiasana ny hanohizana ny ezaka efa vita sy ny hanitsiana ny lesoka ary […]
Minisitra Ramaholimasy Pierre Holder: “Aleo ny vahoaka hiteny amin’ny fifidianana”
“Aleo ny vahoaka no hiteny amin’ny alalan’ny fifidianana amin’izay ho filohan’ny Repoblika”, hoy ny minisitry ny Fananantany sy ny fanajariana ny tany, Ramaholimasy Pierre Holder, tamin’ny fizarana karatany tany Ambanja, afakomaly, manoloana ny fiatrehana fifidianana. Eo an-tanan’ny vahoaka malagasy ny fahefana. Raha ny firotsahana ho filohan’ny Repoblika, isaky ny dimy […]
Fiatrehana fifidianana : nikaton-trano niaraka amin’ny FFKM ireo kandidà 12
Mitohy ny fihaonan’ireo kandidà 12 amin’ireo mpisehatra amin’ny fifidianana. Anisan’ny efa nihaona tamin’izy ireo, ny herinandro teo, ireo filoham-piangonana efatra mirahalahy. Nambaran’ny loharanom-baovao iray fa anisan’ny efa nihaonan’ireo kandidà, ny herinandro teo, ny arsevekan’Antananarivo, ny Mgr Raolison Jean de Dieu avy amin’ny Ekar sy ny Mgr Ranarivelo Samoela Jaona, avy […]




