Mihenjana manoloana ny fitondran-tenan’ny diplaomaty sasany eto Madagasikara ny fitondran’ny Fanavaozana. Nampanantsoina teny Anosy ny ambasadaoro frantsay, Arnaud Guillois, omaly. Voaantso teny amin’ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny ny ambasadaoron’ny Repoblika frantsay, Sem Arnaud Guillois, omaly, araka ny fanambarana nampitain’ny eo anivon’ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny. Nampahafantarina ny ambasadaoro nandritra ny fihaonana, tamin’izany, ny fanapahan-kevitry […]
Politika
Hazakazaka ho an’ny Firaisankina : Nandray anjara ny kolonely Rampanarivo Thierry
Tontosa ny 24 avrily ka hatramin’ny faran’ny herinandro teo, ny fankalazana ny andiany fahefatra momba ny Andro iraisam-pirenena sy ny seho nasionaly, andiany faharoa, ho an’ny fanatanjahantena teto Madagasikara, nokarakarain’ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena (MJS). Hazakazaka ho an’ny Firaisankina na “Course de la solidarité” no namaranana izany, ny faran’ny […]
FANTINA sy FINTINA
Tonga eto an-tanindrazana ary noraisin’ny minisitry ny Mponina, i Mirana, tovovavy nafana fo, naratra voan’ny baomba mandatsa-dranomaso nandritra ny tolona tamin’ny 25 septambra 2025. Avy niatrika fitsaboana nandritra ny 7 volana tany La Réunion izy ary efa mihatsara. Mbola mila manohy fitsaboana noho ny tsy fahampian’ny enti-manana izy. Nanao fanambarana […]
Andrianainarivelo Hajo : « Aoka isika tsy handiso fanantenana… »
Naneho ny heviny manoloana ireo zava-nitranga sy ny fanehoan-kevitra maro nipoitra tato ho ato manoloana ny raharaham-pirenena, ny filoha nasionalin’ny antoko Malagasy miara-miainga, Andrianainarivelo Hajo. Nambarany fa mendrika hajaina, raha mbola tena mandala ny demokrasia isika, ireny fanambarana sy fanehoan-kevitra ireny. Manoloana izany, nanteriny fa samy saro-piaro amin’ny firenena ny […]
Fiaraha-mivavaka amin’ny FLM : Miantso ny hiadiana amin’ny kolikoly ny Filoham-panjakana
Niara-niombom-bavaka tamin’ireo mpino FLM tao Antsirabe ny filohan’ny Fanavaozana, ny Kly Randrianirina Michaël mivady, ny alahady teo. Nisy ny hafatra nampitainy tamin’ireo kristianina sy ny vahoaka tamin’izany. Nangata-bavaka ho an’ ny firenena ny Filoham-panjakana toy ny mahazatra azy amin’ny fanatrehana ny fotoam-bavaka tahaka izao, ankoatra ny famaliana ny hetaheta sy […]




