Politika

FANTINA sy FINTINA

Mitaky ny hamotsorana ny mpikambana Tim, ny Kly Rabe Jules, ny avy amin’ny fikambanan-drazana Vavea sy ny fianakaviany. Nanao fanambarana izy ireo, afakomaly, tao Toliara. « Mangataka amin’ny mpitondra ny hamoahana azy izahay », hoy izy ireo. Tsiahivina fa nosamborina tamin’ity herinandro ity izy ary tazonina aty Antananarivo. Voatendry ho mpanolotsaina manokana […]

Fiaraha-miasa : Hanohana ny fikaonandoha ny Japoney

Namaly ny antso fanentanana avy hatrany. Noraisin’ny minisitra misahana ny Fana­vaozana, ny Me Razafi­manan­tsoa Hanitra, tetsy amin’ny birao fiasany etsy Anta­ninarenina, omaly, ny ambasadaoron’i Japon, Tojima Hitoshi. Nambaran’ity masoivoho ity, tamin’izany, fa tafita tsara ny antso sy ny fanentanana nandritra ny fihaonana niarahana tamin’ireo mpiara-miombon’antoka iraisam-pirenena, afakomaly, teny amin’ny minisiteran’ny […]

Tohin’ny fihaonan’ny Gen Z sy ny praiminisitra : Navoaka sy atao andrimaso i Herizo Gen Z

Noraisin’ny Praiminisitra, Rajaonarison Mamitiana, teny Mahazoarivo ireo solontenan’ny Gen Z, manerana ny Nosy. Samy nomena anjara fitenenana izy rehetra. Nivaly, omaly hariva avy hatrany. Mbola nitaky ny hamoahana ny na­many, voasambotra sy tazonina any amin’ny mpitadro filaminana ireo Gen Z, tamin’ny fihaonana teny Mahazoarivo. Namaly izany ny lehiben’ny governemanta ary […]

FANTINA sy FINTINA

Tsy hisy fijerena loko politika ny fanendrena ireo sefo fokontany, araka ny nambaran’ny minisitry ny Atitany sy ny fitsinjaram-pahefana, Rakotonan­dra­sana Velonjara Tiaray. “Tena hifantoka manokana amin’ ny traikefa sy ny fahaiza-manaon’izy ireo ny ho fanen­drena », hoy izy. Nanteriny fa miankina amin’ny fikaonandoham-pirenena ny ho sata sy hoavin’ny rafitry ny […]

Synadjad : Simban’ny politika ny raharaham-panjakana

“Tafiditry ny politika loatra ny fitantanan-draharaham-panjakana”, hoy ny filohan’ny “Syndicat des adjoints d’administration de Madagascar” (Synadjad), tamin’ny mpanao gazety, teny Anosy, omaly. Milaza ny lalàmpanorenana fa tsy azo anaovana politika ny fitantanan-draharaham-panjakana. Nefa tsapa ankehitriny, efa ho roapolo taona mahery: na ny olom-boatendry aza amin’izao, lasa idiran’ny poli­tika. Ohatra amin’izany, […]