Politika

Minisitra, Randriamanantenasoa Landy: “Hohafainganina ny raharaham-pitsarana eo amin’ny ady tany”

Anisan’ireo minisitra na­metraka ny laharam-pahamehany nanoloana ny filohan’ny Repoblika sy ny praiminisitra teny Iavoloha, omaly ny minisitry ny Fitsarana, Randria­manantenasoa Landy. “Ho­jere­na manokana ny ady tany ka hapetraka ny paikady fanafainganana ny fanadihadiana ireny antontan-taratasy ireny. Tsy mbola mijoro ny tribonalin’ny fananantany nefa tsy manakana ny hametrahana dingana izany hanafainganana […]

ONG Tolotsoa: “Liana amin’ny politika ny tanora”

“Hita fa liana ny tanora, niantefan’ny adihevitra. Tsy misakana ny rehetra hifam­piresaka izay. Liana amin’ ny raharaham-pirenena ry zareo”, hoy ny mpandrindra eo anivon’ny ONG Tolotsoa, i Miadana Fabien Privat, teny Antaninarenina, afakomaly. Mivohitra ao anatin’ny adihevitra ny tsy fisian’ny olon-kotahafina na fitaratra. Mila fitaratra ny tanora hampazoto azy amin’ny […]

Andriamoraniaina Niaina Harijaona: “Raha izao no mitohy, mety tsy vahaolana ny fanavaozana lisi-pifidianana”

Aiza ho aiza ny fanavaozana tanteraka ny lisitry ny mpifidy amin’izao? Maneho ny heviny ny sekretera mpanatanteraky ny Sampana anaraha-maso ny fifidianana, ivon’ny demokrasia ifarimbonana (Safidy), Andriamoraniaina Niaina Harijaona : “Raha izao no mitohy, mety tsy vahaolana indray ny fanavaozana tanteraka ny lisi-pifidianana.” Dinidinika… Gazety Taratra (*) : Ny fahitanareo […]

Fitakiana sendikaly : hanavao fifampidinihana ny mpirakidraharaha

Tapaka tamin’ny fivorian’ ny biraon’ny Sendikàn’ny mpirakidraharaha eto Mada­gasikara (SGM), teny Anosy, afakomaly, fa hahemotra ny fivoriamben’ny mpirakidraharaha rahampitso. Saika ho­dinihina amin’izany ny fanohizana ny fitokonana noho ny tsy fanatanterahan’ny minisiteran’ny Fitsarana ny fitakin’izy ireo. Anton’ny fanafoanana ny fivoriambe ny fanendrena ny minisitry ny Fitsara­na vaovao. “Mihemotra ny fivoriambe, fa […]

EPP Amboniloha – Canal + : Nisitraka toeram-pamakiam-boky vaovao

Notokanana omaly ny efitrano famakiam-boky vaovao ao amin’ny EPP Amboniloha. Nisitraka izany ireo mpianatra miisa 871 eo anivon’ny sekoly. Nahitana fahitalavitra iray, “décodeur” ahitana fandaharam-piananarana isan-karazana. Teo koa ny boky maro samihafa sy fitaovam-pianarana miisa 155 ho an’ireo mpianatra. Mba hanomanana ny fanadinana CEPE. Tafiditra tao anatin’ny tetikasa “Orphée” izy […]