“Tsy izaho no nanala azy, fa hevitry ny vahoaka niaraka tamin’ny ben’ny Tanàna ary nandalo ny filankevitry ny minisitra dia nesorina ny préfet”, hoy ny governoran’i Bongolava, ny Jly Ramiaramanana Joseph. Fanehoan-keviny momba ny hetsika an-dalambe sy filanjana sora-baventy ary kabary nataon’ny sasantsasany amin’ny olom-boafidy sy ny olom-boatendry ary ny […]
Politika
Vovonana miara-dia any Frantsa : “Tsy vita indray andro ny fampandrosoana”
Notontosaina ny asabotsy teo tany Frantsa tahaka ny mahazatra ny fandaharana “Tafa miara-dia”. Nikarakara izany ny Vovonana miara-dia, “Miara-dia amin’ny filoha Rajoelina Andry ny Diaspora”. Anisan’ny nitondran’izy ireo fanehoan-kevitra ny momba ny toe-draharaham-pirenena, amin’izao fotoana izao. Niaiky ny mpanolotsain’ny Vovonana miara-dia, ny Dr Rakotoniaina Zo tamin’izany fa tena mbola ao […]
Depiote R. Feno : “Ilaina ny mahazaka tsikera”
Nitondra ny heviny, manoloana ny raharaham-pirenena ny solombavambahoaka Tim, Ralambomanana Feno, voafidy tetsy amin’ny boriborintany III. “Mila mahazaka tsikera sy mandray lesona amin’ny zavatra tsy mety ataony ny mpitondra fanjakana amin’ izao fotoana izao. Aoka tsy mandany andro sy variana manohitra ny mpanohitra fa lasa mivarina an-kady ny firenena”, hoy […]
PDCM – Rapetera Désiré : “Ilaina apetraka ny fahamarinana”
Tsy handroso isika raha tsy eo ny fihavanana sy ny fahamarinana, araka ny fehin-kevitry ny antoko Politika demokraty kristianina (PDCM). “Entanina ny vahoaka hanaja ny fitsipika sy ny Lalàmpanorenana”, hoy ny filohany, Rapetera Désiré teny Antsahalovana, ny asabotsy teo. “Mba hisorohana ny korontana, ndao hihavana sy hifampiresaka alohan’ny fifidianana”, hoy […]
Rajaonarimampianina Hery : “Mila fifidianana mangarahara sy tsy mitanila ny vahoaka”
“Mila fifidianana mangarahara sy tsy mitanila ary eken’ny rehetra ny vahoaka malagasy mba hialana amin’ny hala-bato sy ny hosoka. Satria aoka hazava fa raha vao fifidianana tsy madio no misy eo amin’ny firenena, korontana no hisy aorian’izay”. Izay no anisan’ny kabarin’ny filoha teo aloha, filoha mpanorina ny antoko HVM, Rajaonarimampianina […]




