Politika

Famonoana mpirakidraharaha: mitaky sazy henjana ny sendikà

“Manameloka tanteraka ny famonoana ny namanay izao izahay, ary manao antso avo amin’ny manampahefana rehetra ao amin’ny minisiteran’ny Fitsarana tsy hamela izao raharaha izao ho vitavita fotsiny. Indrindra tsy hanome fahafahana vonjy maika na iza na iza voarohirohy amin’izao raharaha izao, fa hanome sazy faran’izay henjana mendrika ny olona nahavita […]

Lahatenin’ny praiminisitra tany amin’ny OIF: “Tokony hamoraina ny vidin’ny fitaovana teknolojia”

Nifarana, omaly, ny fihaonana an-tampon’ny Frankofonia (OIF), natao tany Djerba, Tonizia. Anisan’ny nandray anjara fitenenana tamin’ireo lohahevitra samihafa nandritra ny roa andro ny Praiminisitra, Ntsay Christian. Nambarany fa tokony hahitan’ny OIF paikady ny hampihenana ny tsy fitoviana eo amin’ny fampiasana haitao ara-kajy mirindra. “Tokony hapetraka ny rafitra hampihenana ny saran’ny […]

Diosezin’i Mahajanga: voatendry ho eveka ny Mgr Zygmunt

Notendren’ny papa Fransoa, ny asabotsy teo, ho evekan’ny diosezin’i Mahajanga ny Mgr Zygmunt  Robaskiewicz. Avy amin’ny fikambanana “Missionnaire de la Sainte Famille” ny tenany ary efa nitantana ny diosezin’i Morombe izao nafindra toerana izao. Teraka ny 16 oktobra 1958 tany Nietuszkowo, Pologne izy. Nanaraka ny fianarana filozofia sy teolojia tao […]

Maka Alphonse: “Be loatra ny fihatsarambelatsihy”     

“Be loatra ny fihatsarambelatsihy eto amintsika. Manimba ny fiarahamonina Malagasy sy ny fanaovana politika izany”, hoy ny filohan’ny CFM teo aloha, i Maka Alphonse. Aoka hifampiresaka ny samy Malagasy. Tsy midika  ao anatin’ny fikaonandoham-pirenena, izany fa endrika iray amin’ny fifampiresahana ihany. Mifankahalala rehefa mifampiresaka sy mifampidinika. Mampisy fitoniana izany. Mety […]

Fampandrosoana : ilaina ny fametrahana rafitra fakan-kevitra

                      “Ny lalàna rehetra sy ny politikam-pitondrana rehetra izay handraisana fanapahan-kevitra eto amin’ny firenena dia tokony hanontaniana ny heviny ary tena manoratra hevitra izy. Izay no andraikiny. Avy eo, anjaran’ny mpanapa-kevitra ny mandray izany na tsia”, hoy ny tale mpandrindra ny teknika ny hetsika Rohy, Andriamoraniaina Niaina Harijaona, tamin’ny famaranana […]