Namoaka hafatra ny eo anivon’ny Fivondronamben’ ny eveka (Fem), omaly. Voaresaka ny hiatrehana ny fifidianana sy ny fahasahiranam-bahoaka. Eo koa ny ezaky ny fitondrana ary ny tsindrom-paingotra amin’ny fampanantenana tsy tanteraka. Nampahatsiahy ny toetra tokony hananan’ny kandidà hofidiana ny eo anivon’ny Fem amin’izao hiatrehana ny fifidianana izao. Hentitra ny masontsivana […]
Songadina
Fanararaotana mpivavaka: Pasitera efatra voasambotra
Nanao be midina tamina trano fivavahana iray ny polisim-pirenena, omaly. Pasitera sady mpaminany efatra voasambotra. Nosamborin’ny mpitandro filaminana ny olona efatra misora-tena ho Pasitera tao amina fiangonana tsy miankina iray, ao Fianarantsoa Renivohitra, omaly. Nisintona lakolosy teny anivon’ny fampanoavana ny vehivavy telo mpino eo amin’ilay fiangonana. Taorian’ny fitorohana nalefan’izy ireo, […]
Minisitry ny Fitsarana : “Tsy misy idiran’ny resaka politika ny asan’ny Pac”
Nandiso ireo fanehoan-kevitra samihafa ny minisitry ny Fitsarana, Randriamanantenasoa Landy, omaly, tetsy 67ha. Notsiahiviny tamin’izany ny asan’ny Tendrom-pitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly (Pac). “Tsy natao hanenjehana mpanao politika na koa hikendrena foko izatsy na izaroa ny Pac. Mametraka ny tany tan-dalàna isika ary miady amin’ny kolikoly ka tsy misy […]
Lehilahy novonoina: nomena fampatoriana, notsatotsatohana antsy
Voasambotry ny polisy ny mpifankatia namono lehilahy, iray teny Andavamamba. Nomen’izy ireo fampatoriana, nolerana antsy, nodorana ilay lasibatra. Niaiky ny heloka vitany izy roa. Tapa-bolana aty aoriana, tra-tehaky ny polisy ny atidoha sy tompon’antoka tamin’ny famonoana ny raim-pianakaviana iray tetsy Andavamamba. “Razana nodorana tanaty dabam-pako no nanaitra ny mponina manodidina […]
Fizotry ny fiainam-pirenena : manahy krizy marolafy ny UNDD
Nivoaka ny fahanginany ary nanao fanambarana ny eo anivon’ny antoko UNDD, ny 13 mey teo. Nampaneno lakolosy izy ireo manoloana izao raharaham-pirenena izao. Nambaran’ny birao politikan’ny antoko tamin’ny fanambarana, nosoniavin’ny filoha nasionaly vonjimaika, Manoro Regis, fa mandalo kihon-dalana sarotra eo am-baravaran’ny krizy marolafy mivaivay ny firenena. Notanisain’izy ireo ho anton’izany […]




