Miova indray ny fanaon’ireo mpangalatra! Nirefotra indroa ny basy, jiolahy roa nitam-piadiana nangalatra moto teny am-pandehanana tetsy Ambohitrimanjaka, omaly tamin’ny 10 ora sy sasany maraina. Tsy nanampo na inona na inona ny tompony! Moto “scooter” marika Racing King, anisan’ireo hiaka farany, norobain’ny jiolahy roa lahy nitondra basy, tetsy Ambohitrimanjaka, omaly […]
Songadina
Governora faritra Vakinankaratra : “Tahotra fifidianana ny fanaovana Tetezamita”
“Tahotra hiatrika fifidianana ny an’ny sasany. Mamboly korontana etsy sy eroa, mampisavorovoro saim-bahoaka, mieritreritra hanao fitondrana Tetezamita hifampizarana seza… Avy eo, hanitatra izany Tetezamita izany ho teteza… miitatra.” Io ny fanahoan-kevitry ny governoran’ny faritra Vakinankaratra, Rakotovao Vyvato. ”Mampalahelo koa indraindray ny fihetsiky ny fiombonambe iraisam-pirenena sasantsasany: manome lesona, manery, manao […]
Antoko Fiombonana : “Mba tsy ho very maina ny ra latsaka”
Anisan’ireo nahatsiaro ny faha-51 taona ny tolon’ny mpianatra, ny mey 1972, ny antoko Fiombonana. Nambaran’izy ireo fa manaja ny tantara nolalovan’ny firenena, mitaiza sy manabe taranaka izy ireo. Notsiahivin’ny Fiombonana, maro ny nifamahofaho teo amin’ny fiainam-pirenena. Vavolombelon’izany ireo raiamandreny, nitolona tamin’izany. “Tsy ho very maina ny herimpo sy ny ra […]
Vovonana “Tsimatimanota” : “Tsy avela hanjaka eto intsony ny tsimatimanota”, hoy i Paolo
“Noho ny disadisa misy eto Madagasikara, mahatsapa izahay fa potika ny firenena, mahatsapa izahay fa misy ny tsimatimanota. Eo koa ireo mpiaro olon-dratsy mpamotika firenena sy mpamono olona. Noho izany, nanapa-kevitra izahay fa hatsangana ny vovonana miady amin’ny tsimatimanota eto Madagasikara”, hoy ny administratera sivily, Paolo Emilio Raholinarivo Solonavalona, nandritra […]
“Raharaha Raissa ” – Minisitry ny Fitsarana: “Mbola anatin’ny tsiambaratelo ny fanadihadiana”
Tsy mbola nifarana manoloana ny resabe. Nitondra fanazavana indray momba ireo nambaran-dRazaivola Raissa farany teo ny minisitry ny Fitsarana, Randriamanantenasoa Landy, omaly, tetsy Anosy. Notsiahiviny tamin’izany, misy efa ela ny departemanta mandray ny fitarainana tahaka ireny eo anivon’ny fitsarana. “Efa misokatra ny fanadihadiana saingy mbola ao anatin’ny tsiambaratelo tanteraka izany. Voafetran’ ny […]




