Songadina

Praiminisitra Ntsay Christian : “Manahirana ny fanovana lalàm-pifidianana”

Tsy manana fahefana ha­nova ny lalàm-pifidianana ny governemanta, volana vitsivitsy alohan’ny fifidianana filohan’ny Repoblika. “Ny zava-misy: miroso isika, ha­taontsika araka ny voafaritry ny lalàmpanorenana ny fifidianana. Tsy maintsy amin’ity taona ity izany, izay takiana aminay mpitondra”, araka ny nambaran’ny Praiminisitra Ntsay Christian, tamin’ny ta­titry ny asan’ny governemanta, taona 2022, omaly. Fi­haonana […]

Mpianatra novonoina : nogadraina ny sakaizany sy ny tompon-tranony

Ny faha-5 ny volana mey, hita faty nihantona tamin’ny manga i Salohy, mpianatra tao amin’ny Oniversiten’i Mahajanga. Ahina ho namono azy ny sakaizany sy ny tompon-tranony. Olona efatra naiditra am-ponja afakomaly, taorian’ny fanadihadiana. Nidoboka am-ponja vonjimaika, afakomaly, ny sakaizan’i Salo­hy, ilay tovolahy namoy ny ainy, hita faty nihantona tao amin’ny faritry […]

Razanamahasoa Christine : “Fantatro saingy tsy holazaiko ny nandroba tao an-tranoko”

Nitondra fanazavana fohy, manoloana ny fandrobana ny tranony, ny alin’ny sabotsy teo, ny filohan’ny Anteni­mi­e­rampirenena, Razanamahasoa Christine, omaly. Mazava ny nambarany. “Mahafantatra ny nahavita izany aho ary tsy ahiahy intsony. Tsy holazaiko anefa izany na tena fantatro aza. Ijoroako ny fanahy mibitsika ato amiko amin’ny fahamarinana”, hoy izy. Nan­te­riny fa […]

Hasarotam-piaro… : polisy nanindrona antsy ny rafilahiny

Ny an’ny miaramila mbola tsy vita ny fanadihadiana, manao ny ataony koa ny polisy! Nivoraka mihitsy ny tsinain’ilay rafilahiny vokatry ny tsatok’antsy nataona polisy iray, tao Maroantsetra… Olombelona ihany sa tsy ampy fanadihadiana ara-moraly mialoha ? Naratra mafy ny raim-pianakaviana iray vokatry ny tsatok’antsy nataona polisy iray azy teo amin’ny […]

Fivorian’ny Bad any Egypta : handray ny amboara “Trophée Babacar” ny filoha Rajoelina

Hotanterahina ny zoma izao any Sharm el Sheikh, Egypta, ny fivorian’ny Banky Afrikanina momba ny fampandrosoana (Bad). Anisan’ny hiatrika izany any an-toerana ny filoha Rajoelina Andry. Mandritra izany fihaonana izany no hanolorana azy ny amboaran’ny mpanorina lehibe aty Afrika «Lauréat du super prix grand bâtisseur», amin’ny alalan’ny «Trophée Babacar Ndiaye […]